Ary ny mena dia nivoaka ka nitady handeha hivoivoy eny amin'ny tany; dia hoy izy: Mandehana ianareo, mivoivoiza eny amin'ny tany. Ka dia nandeha nivoivoy teny amin'ny tany izy.
Eny, Izy no hanao ny tempolin'i Jehovah, ary Izy no hitondra voninahitra ka hipetraka sy hanapaka eo amin'ny seza fiandrianany; ary ho mpisorona eo amin'ny seza fiandrianany Izy; ary hisy fisainam-pihavanana amin'izy roroa.
Ary izay lavitra dia ho avy ka hanao ao amin'ny tempolin'i Jehovah, ka dia ho fantatrareo fa Jehovah, Tompon'ny maro, no naniraka ahy ho aminareo. Dia ho tonga izany, raha hazoto hihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo.