fa Baroka, zanak'i Neria, no nanome fo anao hamely anay mba hanolotra anay ho eo an-tà nan'ny Kaldeana hahafaty anay sy hahalasa anay ho babo any Babylona.
Ary Johanana, zanak'i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra ary ny vahoaka rehetra dia tsy nihaino ny feon'i Jehovah ny amin'ny honenany ao amin'ny tanin'ny Joda.
Fa Johanana, zanak'i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra dia nitondra ny sisa rehetra tamin'ny Joda, izay niverina avy tany amin'ny firenena rehetra nandroahana azy honina ao amin'ny tanin'ny Joda,
dia ny lehilahy sy ny zaza amim-behivavy sy ny vehivavy zanak'andriana ary ny olona rehetra izay navelan'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, tao amin'i Gedalia, zanak'i Ahikama, zanak'i Safana, sy tao amin'i Jeremia mpaminany sy Baroka, zanak'i Neria
Mitondrà vato lehibe eny an-tananao, ka afeno ao amin'ny feta ao amin'ny gorodona taila, izay eo akaikin'ny vavahady amin'ny tranon'i Farao ao Tapanesa, eo imason'ny lehilahy amin'ny Joda,
Eny, ho avy izy hamely ny tany Egypta, ka izay ho amin'ny areti-mandringana dia ho amin'ny areti-mandringana, ary izay ho amin'ny fahababoana dia ho amin'ny fahababoana, ary izay ho amin'ny sabatra dia ho amin'ny sabatra.
Ary handrehitra afo ao amin'ny tranon'ny andriamanitr'i Egypta Aho, ka dia hodorany sy hobaboiny ireo, ary hitafy ny tany Egypta izy toy ny fitafin'ny mpiandry ondry ny lambany; ary hiala any amin'ny fiadanana izy.