ary aoka ny mpanjaka hanendry olona any amin'ny isan-tokony eran'ny ny fanjakany rehetra, dia aoka hovorin'ireny ny zazavavy virijina tsara tarehy rehetra ho ato Sosana renivohitra ho ao an-tranom-behivavy amin'ny fehin'i Hegay, tsindranolahin'1 ny mpanjaka, mpifehy ny vehivavy; ary aoka homena ny zavatra fidiovany izy,
Koa nony re ny tenin'ny mpanjaka sy ny lalàny, ka voavory tany Sosana renivohitra ny zazavavy maro ho andin'ny fehin'i Hegay, dia mba nentina ho ao an-tranon'ny mpanjaka koa Estera ho amin'ny fehin'i Hegay, mpifehy ny vehivavy.
Ary nahafaly azy razazavavy ka nahita fitia teo imasony; dia nomeny faingana an-drazazavavy ny zavatra fidiovany sy ny anjara-haniny ary ny ankizivavy fito izay voafantina homena azy avy tao an-tranon'ny mpanjaka; ary nafindrany ho ao amin'ny fitoerana tsara indrindra ao an-tranom-behivavy izy sy ny ankizivaviny.
koa nony hiditra ao amin'ny mpanjaka ny zazavavy tamin'izany, dia nomena azy izay rehetra nilainy ho entiny avy amin'ny tranom-behivavy ho ao an-tranon'ny mpanjaka.
Tamin'ny hariva no nandeha izy, ary nony maraina dia niverina izy ho ao an-trano faharoa nitoeran'ny vehivavy, ho amin'ny fehin'i Sasegaza, tsindranolahin'1 ny mpanjaka, mpitandrina ny vaditsindrano; ary tsy mba niditra tao amin'ny mpanjaka intsony izy, raha tsy tian'ny mpanjaka, ka voatonona ny anarany.
Dia nentina ho ao amin'i Ahasoerosy mpanjaka Estera, ho ao an-tranon'ny fanjakana, tamin'ny volana fahafolo (volana Tebeta izany) tamin'ny taona fahafito nanjakany.
Ary tian'ny mpanjaka mihoatra noho ny vehivavy rehetra Estera, ka nahita fitia sy sitraka teo imasony mihoatra noho ny virijina rehetra izy, ka dia nosatrohany ny satro-boninahitry ny fanjakana izy ka nampanjakainy hisolo an'i Vasty.
Ary ny mpanjaka nanao fanasana lehibe ho an'ny mpanapaka rehetra sy ny mpanompony, dia fanasan'i Estera izany; ary nanendry andro fifaliana ho an'ny fanjakana rehetra isan-tokony izy sady nanome zavatra araka ny fanomen'ny mpanjaka.