Esther 3

Rehefa afaka izany zavatra izany, dia nasandratr'i Ahasoerosy mpanjaka Hamana, zanak'i Hamedota Agagita, ka nomeny voninahitra, ary ny sezany nataony teo alohan'ny an'ny mpanapaka rehetra izay teo aminy.
Ary ny mpanompon'ny mpanjaka rehetra izay teo am-bavahadin'ny mpanjaka dia nandohalika sy niankohoka teo anatrehan'i Hamana; fa izany no didin'ny mpanjaka. Fa Mordekay kosa tsy mba nety nandohalika na niankohoka.
Dia hoy ny mpanompon'ny mpanjaka izay teo am-bavahadin'ny mpanjaka tamin'i Mordekay: Nahoana ianao no mandika ny didin'ny mpanjaka?
Nefa na dia niteny taminy isan'andro aza ireo, dia tsy mba nihaino azy izy, ka nolazain'Ireo tamin'i Hamana, mba hizahany na haharitra amin'ny teniny ihany Mordekay, na tsia; fa efa nilaza tamin'ireo izy fa Jiosy.
Ary rehefa hitan'i Hamana fa Mordekay tsy mba nety nandohalika na niankohoka teo anatrehany, dia tezitra loatra izy.
Ary nataon'i Hamana ho zavatra kely loatra ny haninji-tanana hamely an'i Mordekay irery ihany (fa efa nambara azy ny firenen'i Mordekay), ka dia nitady handringana ny Jiosy rehetra eran'ny fanjakan'i Ahasoerosy koa izy, dia ny firenen'i Mordekay.
Tamin'ny volana voalohany (volana Nisana izany) tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo nanjakan'i Ahasoerosy mpanjaka, nisy nanao pora (filokana izany) teo anatrehan'i Hamana ny amin'ny isan'andro isan'andro sy ny isam-bolana isam-bolana hatramin'ny volana faharoa ambin'ny folo (volana Adara izany)
Ary hoy Hamana tamin'i Ahasoerosy mpanjaka: tsisy firenena iray efa miely sy mihahaka eny amin'ny firenena samy hafa isan-tokony eran'ny fanjakanao; ary hafa lalàna noho ny firenena rehetra ireny sady tsy mba mankatò ny lalàn'ny mpanjaka; ary tsy mendrika amin'ny mpanjaka ny hamela azy ho eny;
koa raha sitraky ny mpanjaka, aoka hosoratana mba haringana ireny, dia handoa talenta volafotsy iray alina ho eo an-tànan'ny mpanao raharaha aho ho entina ao an-trano firaketan'ny mpanjaka.
Dia nesorin'ny mpanjaka tamin'ny tànany ny peratra fanombohany ka nomeny an'i Hamana, zanak'i Hamedota Agagita, fahavalon'ny Jiosy.
Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Hamana: Homena anao ihany ny volafotsy sy ny olona koa hanaovanao azy araka izay sitrakao.
Dia nantsoina ny mpanoratry ny mpanjaka tamin'ny andro fahatelo ambin'ny folo tamin'ny volana voalohany, ka nosoratana izany araka izay rehetra nandidian'i Hamana ho an'ny solo-mpanjaka sy ny governora tamin'ny isan-tokony ary ny mpanapaka ny firenena rehetra, ho any amin'ny isan-tokony araka ny sorany avy, ary ho amin'ny isam-pirenena araka ny fiteniny avy; dia tamin'ny anaran'i Ahasoerosy mpanjaka no nanoratany azy ka notombohiny tamin'ny peratra fanombohan'ny mpanjaka.
Ary ny taratasy dia nampitondrainy ny tsimandoa ho any amin'ny isan-tokony amin'ny fanjakan'ny mpanjaka mba hampandringana sy hampamono ary hampandripaka ny Jiosy rehetra, na tanora na antitra hatramin'ny zaza amim-behivavy aza, amin'ny indray andro monja, dia tamin'ny andro fahatelo ambin'ny folo tamin'ny volana faharoa ambin'ny folo (volana Adara izany), ary handroba ny fananany.
Ny kopen'ny teny izay natao didy ho amin'ny isan-tokony amin'ny fanjakana dia nisokatra mba ho hitan'ny olona rehetra hampiomana azy ho amin'izany andro izany.
Dia nivoaka ny tsimandoa, ka nododonan'ny tenin'ny mpanjaka; ary nantsoina tany Sosana renivohitra koa ny lalàna. Ary ny mpanjaka sy Hamana nipetraka hisotro; fa ny tao an-tanàna Sosana kosa dia very hevitra.