Ka dia nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah toy ny taranak'i Ahaba izy; fa ireny no nanome saina azy taorian'ny nahafatesan'ny rainy ka nampidi-doza taminy.
Ary tamin'ny namalian'i Jeho ny taranak'i Ahaba dia hitany ireo mpanapaka ny Joda sy ny zana-drahalahin'i Ahazia, izay nanompo an'i Ahazia, ka novonoiny.
Ary nitady an'i Ahazia koa izy; koa nisy nahita azy, raha mbola niery tany Samaria izy, dia nitondra azy ho any amin'i Jeho, ary namono azy ny olona ka nandevina azy; fa hoy ireo: Zanak'i Josafata, ilay nitady an'i Jehovah tamin'ny fony rehetra, ity.
Ka dia tsy nahatana ny fanjakana ny terak'i Ahazia.
Fa Joseba, zanakavavin'ny mpanjaka, dia naka an'i Joasy, zanak'i Ahazia, ka namonjy azy avy teo amin'ny zanaky ny mpanjaka izay novonoina, dia nampiditra azy sy ny mpitaiza azy ho ao an-trano fitehirizam-pandriana. Ary nafenin'i Joseba, zanakavavin'i Jehorama mpanjaka, vadin'i Joiada mpisorona, izy (fa anabavin'i Ahazia ravehivavy) mba tsy ho hitan'i Atalia, ka dia tsy mba voavonony izy.