Ary tamin'izany andro izany ny Filistina dia namory ny miaramilany hanafika ny Isiraely. Ary hoy Akisy tamin'i Davida: Aoka ho fantatrao tsara fa hiara-mivoaka amiko hanafika ianao sy ny olonao.
(Ary efa maty Samoela, ka ny Isiraely rehetra efa nisaona azy sy nandevina azy tao Rama, dia tao an-tanànany. Ary efa noroahin'i Saoly hiala amin'ny tany izay nanao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao hatsarana.)
Dia nanova tarehy Saoly ka nitafy fitafiana hafa, dia nandeha izy sy ny olona roa lahy nanaraka azy ka tonga tao amin-dravehivavy nony alina; ary hoy izy: Masìna ianao, manaova fankatovana ho ahy amin'ny zavatra manindry anao, ka ampiakaro ho etỳ amiko izay hotononiko aminao.
Ary hoy ravehivavy taminy: Indro, fantatrao izay nataon'i Saoly, dia ny nandroahany ny manao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao hatsarana hiala amin'ny tany, ka nahoana ianao no mamandrika ny aiko hahafaty ahy?
Ary hoy Samoela tamin'i Saoly: Nahoana no korontaninao aho ka ampiakarinao? Dia hoy Saoly: Tery loatra aho, fa miady amiko ny Filistina, ary Andriamanitra efa nahafoy ahy ka tsy mamaly teny ahy intsony, na amin'ny mpaminany, na amin'ny nofy; koa izany no nampanalako anao mba hampahalalanao ahy izay hataoko.
Satria tsy nihaino ny feon'i Jehovah ianao ka tsy nahatanteraka ny fahatezerany mirehitra tamin'ny Amalekita, dia izany no nanaovan'i Jehovah izao zavatra izao taminao androany.
Ary hiaraka hatolotr'i Jehovah ho eo an-tànan'ny Filistina ny tenanao sy ny Isiraely; ary rahampitso dia ho etỳ amiko ianao sy ny zanakao; ary ny miaramilan'ny Isiraely koa dia hatolotr'i Jehovah eo an-tànan'ny Filistina.
Ary nankao amin'i Saoly ravehivavy ka nahita azy ory indrindra, dia nanao taminy hoe: Indro, ny ankizivavinao nihaino ny feonao, dia nanao ny aiko tsy ho zavatra aho ka nihaino ny teninao izay nolazainao tamiko.
Koa ankehitriny, masìna ianao, mba henoy kosa ny tenin'ny ankizivavinao, ary aoka aho handroso sombin-kanina kely eo anoloanao; dia hano izany mba hahatanjaka anao, raha handeha amin'ny alehanao ianao.
Fa tsy nety izy, fa hoy izy: Tsy hihinana aho. Fa ny mpanompony sy ravehivavy mbola nanery azy ihany, ka dia nihaino ny feony izy. Dia nitsangana izy ka nipetraka teo am-parafara.
Ary ravehivavy nanana zanak'omby mifahy tao an-trano; dia nandeha haingana izy ka namono izany, ary naka koba izy, dia nofetafetainy ka nendasiny ho mofo tsy misy masirasira.