Zechariah 13

I taua ra ka tuwhera he puna mo te whare o Rawiri, mo nga tangata ano o Hiruharama, hei mea mo te hara, mo te poke.
Amin'izany andro izany dia hisy loharano voasokatra ho an'ny taranak'i Davida sy ho an'ny mponina any Jerosalema hanafaka fahotana sy fahalotoana.
I taua ra, e ai ta Ihowa o nga mano, ka hatepea atu e ahau nga ingoa o nga whakapakoko i runga i te whenua; e kore ano e maharatia a muri ake nei; ka kore ano i ahau nga poropiti, me te wairua poke, i runga i te whenua.
Ary amin'izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, dia hofoanako ny anaran-tsampy amin'ny tany, ka tsy hotsarovana intsony ireny; ary hesoriko amin'ny tany ny mpaminany sy ny fanahim-pahalotoana.
Na, tenei ake, ki te poropiti tetahi a muri ake nei, ka mea tona papa ki a ia, raua ko tona whaea i whanau ai ia, E kore koe e ora; kua korero teka hoki koe i runga i te ingoa o Ihowa: na ka werohia ia e tona papa raua ko tona whaea i whanau ai i a, ina poropiti ia.
Ary raha mbola hisy haminany, ny ray aman-dreniny izay niteraka azy dia hanao aminy hoe: Tsy ho velona ianao, satria miteny lainga amin'ny anaran'i Jehovah; ary ny ray aman-dreniny izay niteraka azy dia handefona azy, raha maminany izy.
I taua ra ka whakama nga poropiti, tenei, tenei, ki tana kite, i te mea ka poropiti ia; e kore ano e kakahuria e ratou he kakahu huruhuru hei mea tinihanga.
Ary amin'izany andro izany ny mpaminany dia samy hahazo henatra noho ny fahitany avy, raha maminany; ary tsy hikapĂ´ty volom-biby hamitahana izy,
Engari ka mea ia, Ehara ahau i te poropiti, he paruauru ahau, he pononga hoki ahau no toku taitamarikitanga ake.
fa hanao hoe: Tsy mpaminany aho, fa mpiasa tany, satria nisy nanandevo ahy, fony aho mbola kely.
A ka mea tetahi ki a ia, He aha enei patunga i ou ringa? a ka mea ia, Ko oku patunga i roto i te whare o oku hoa aroha.
Dia hisy hanao aminy hoe: Ka inona itony ratra amin'ny tananao itony? Dia hovaliany hoe: Naratra tao an-tranon'ny sakaizako ireny.
E ara, e te hoari, ki taku hepara, ki te tangata i takahoatia ki ahau, e ai ta Ihowa o nga mano; patua te hepara, kia marara hoki nga hipi; ka tahuri atu ano toku ringa ki nga mea ririki.
Mifohaza, ry sabatra, hamely ny mpiandriko sy ny lehilahy namako, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. Asio ny mpiandry, dia hihahaka ny ondry, ary hamerina ny tanako ho amin'ny madinika Aho.
Na i te whenua katoa, e ai ta Ihowa, e rua nga wahi o reira ka hatepea atu, ka mate; ka toe ia te tuatoru o nga wahi ki reira.
Ary amin'ny tany rehetra, hoy Jehovah, ny androatokony dia haringana ho faty ao; fa ny ampahatelony sisa no havela ao kosa.
Ka kawea ano e ahau te tuatoru o nga wahi i roto i te ahi, ka tahia hoki te para, ka peratia me te hiriwa e tahia ana, ka whakamatautauria ano ratou e ahau, ka peratia me te koura; ka karanga ratou ki toku ingoa, a ka whakarongo ahau ki a ratou: ka mea ahau, He iwi ratou naku; a ka mea ratou, Ko Ihowa toku Atua.
Ary ho entiko miditra amin'ny afo ny ampahatelony, ary harendrika toy ny fandrendrika volafotsy izy, ary hizahako toetra toy ny fizaha toetra ny volamena izy; hiantso ny anarako izy, ary Izaho hamaly azy; Izaho hanao hoe: Oloko izy ary izy hanao hoe: Jehovah no Andriamanitro.