II Samuel 9

Na ka mea a Rawiri, Kahore ranei he morehu inaianei o te whare o Haora, kia puta ai toku aroha ki a ia, he mea hoki naku ki a Honatana?
Ary hoy Davida: Mbola misy sisa ihany va ny tamingan'i Saoly mba hasiako soa noho ny amin'i Jonatana?
Na he pononga tera no te whare o Haora, ko tona ingoa ko Tipa: na ka karangatia ia ki a Rawiri, a ka mea te kingi ki a ia, Ko Tipa koe? Ka mea tera, Tenei tau pononga.
Ary nisy mpanompon'ny fianakavian'i Saoly, Ziba no anarany. Ary nantsoiny hankany amin'i Davida izy, ka hoy ny mpanjaka taminy: Hianao moa no Ziba? Ary hoy izy: Izaho mpanomponao no izy.
Na ka mea te kingi, Kahore ianei tetahi o te whare o Haora, kia whakaputaina ai e ahau to te Atua aroha ki a ia? Na ka mea a Tipa ki te kingi, Tenei ano tetahi tama a Honatana, he kopa nga waewae.
Ary hoy ny mpanjaka: Mbola misy sisa ihany va ny tamingan'i Saoly mba hasiako soa araka ny fanaon'Andriamanitra? Dia hoy Ziba tamin'ny mpanjaka: Mbola misy zanakalahin'i Jonatana iray ihany ao, nefa malemy tongotra izy.
Na ka mea te kingi ki a ia, Kei hea? Ka mea a Tipa ki te kingi, Na, kei te whare o Makiri, tama a Amiere, kei Rotepara.
Ary hoy ny mpanjaka taminy; Aiza anefa izy? Dia hoy Ziba tamin'ny mpanjaka: Indro izy ao an-tranon'i Makira, zanak'i Amiela, ao Lo-debara.
Katahi a Kingi Rawiri ka unga tangata ki te tiki i a ia i te whare o Makiri, tama a Amiere, i Rotepara.
Ary Davida mpanjaka naniraka haka azy tao an-tranon'i Makira, zanak'i Amiela, tao Lodebara.
A ka tae mai a Mepipohete tama a Honatana tama a Haora ki a Rawiri, ka tapapa, ka piko. Na ka mea a Rawiri, E Mepipohete. Ano ra ko tera, Tenei tau pononga.
Ary nony tonga teo amin'i Davida Mefiboseta, zanak'i Jonatana, zanak'i Saoly, dia niankohoka sy nitsaoka azy izy. Ary hoy Davida: Mefiboseta! Dia hoy izy: Inty ny mpanomponao.
Na ka mea a Rawiri ki a ia, Kaua e wehi; ka puta hoki toku aroha ki a koe, he whakaaro hoki ki a Honatana ki tou papa, me whakahoki ano e ahau ki a koe te mara katoa a Haora, a tou papa; me kai taro tonu ano koe ki taku tepu.
Ary hoy Davida taminy: Aza matahotra, fa hasiako soa tokoa ianao noho ny amin'i Jonatana rainao, ary hampodiko ho anao ny tany rehetra izay an'i Saoly rainao, ary ianao hihinana eo amin'ny latabatro mandrakariva.
Na ka piko iho ia, ka mea, He aha tau pononga, i titiro mai ai koe ki tenei kuri mate, i ahau nei?
Dia niankohoka izy ka nanao hoe: Zinona moa aho mpanomponao izay toy ny alika maty, no mba jerenao?
Katahi ka karanga te kingi ki a Tipa, ki te tangata a Haora, ka mea ki a ia, Ko nga mea katoa a Haora i mua, a tona whare katoa hoki, kua hoatu e ahau ki te tama a tou ariki.
Dia niantso an'i Ziba, mpanompon'i Saoly, ny mpanjaka ka nanao taminy hoe: Izay rehetra nananan'i Saoly sy ny mpianakaviny rehetra dia nomeko ny zanakalahin'ny tomponao.
Ko koe hoki hei kaimahi mana i te oneone, koutou ko au tama, ko au pononga, ka kohi ai i nga hua; a ka whai taro te tama a tou ariki hei kai mana: ko Mepipohete ia ko te tama a tou ariki, me kai taro tonu ia ki taku tepu. Na, kotahi tekau ma rim a nga tama a Tipa, e rua tekau nga pononga.
Koa ianao sy ny zanakaolahy ary ny mpanomponao no hiasa ny tany ho azy ka hanatitra hanin-kohanina ho an'ny zanakalahin'ny tomponao; fa Mefiboseta, zanakalahin'ny tomponao, hihinana eo amin'ny latabatro mandrakariva. Ary Ziba nanana zanakalahy dimy ambin'ny folo sy mpanompo roa-polo.
Katahi ka mea a Tipa ki te kingi, Ka rite ta tau pononga e mea ai ki nga mea katoa i whakahaua mai e toku ariki, e te kingi, ki tana pononga. Ko Mepipohete ia e ai ta te kingi me kai ki taku tepu; ka rite ki tetahi o nga tama a te kingi.
Ary hoy Ziba tamin'ny mpanjaka: Araka izay rehetra nandidianao mpanjaka tompoko no hataon'ny mpanomponao. Fa ny amin'i Mefiboseta, hoy Davida, dia hihinana eo amin'ny latabatro toy ny anankiray amin'ny zanakalahin'ny mpanjaka izy.
Na he tama ta Mepipohete he mea nohinohi, ko tona ingoa ko Mika: he pononga ano na Mepipohete te hunga katoa e noho ana i te whare o Tipa.
Ary Mefiboseta nanan-janakalahy tanora, Mika no anarany. Ary izay rehetra nitoetra tao an-tranon'i Ziba dia mpanompon'i Mefiboseta avokoa.
Heoi noho ana a Mepipohete ki Hiruharama: i kai tonu hoki ia ki te tepu a te kingi; he kopa ano ona waewae e rua.
Ary Mefiboseta nonina tany Jerosalema; fa teo amin'ny latabatry ny mpanjaka no nihinanany mandrakariva; ary nalemy ny tongony roa.