Ezra 5

Ary ny mpaminany, dia Hagay mpaminany sy Zakaria, zanak'Ido, naminany tamin'ny Jiosy tany Joda sy Jerosalema tamin'ny anaran'Andriamanitry ny Isiraely izay tao aminy.
Katahi nga poropiti, a Hakai poropiti, raua ko Hakaraia, tama a Iro, ka poropiti ki nga Hurai i Hura, i Hiruharama; i poropiti ratou ki a ratou i runga i te ingoa o te Atua o Iharaira.
Dia nitsangana Zerobabela, zanak'i Sealtiela, sy Jesoa, zanak'i Jozadaka, ka nanomboka nanao ny tranon'Andriamanitra any Jerosalema indray; ary ireo mpaminanin'Andriamanitra ireo dia teo aminy ka nanampy azy.
Katahi ka maranga a Herupapera tama a Haratiera, raua ko Hehua tama a Iohereke, timataia ana e raua te hanga i te whare o te Atua i Hiruharama: i a raua ano nga poropiti a te Atua hei hoa mo raua.
Ary tamin'izany andro izany ihany koa dia nankany amin'ireo Tatenay, governoran'ny etỳ an-dafin'ny ony etỳ, sy Setara-bozenay mbamin'ny namany; ka izao no nataony taminy: Iza no nandidy anareo hanao io trano io sy hahavita io manda io?
I taua wa ano ka tae mai ki a ratou a Tatenai kawana o tenei taha o te awa, raua ko Hetara Potenai, me o raua hoa, a ka mea ki a ratou, Na wai koutou i whakahau kia hanga tenei whare, kia whakaotia tenei taiepa?
Ary izao koa no nataonay taminy Iza avy no anaran'izay lehilahy manao io trano io?
Katahi ka penei ta matou kupu ki a ratou, Ko wai nga ingoa o nga tangata e hanga nei i tenei whare?
Nefa ny mason'Andriamaniny nitsinjo ny loholon'ny Joda, ka tsy nahasakana azy ireo, mandra-pahatongan'ny teny ho any amin'i Dariosy sy ny nahazoany ny valiny ny amin'izany raharaha izany.
Otiia i runga i nga kaumatua o nga Hurai te kanohi o to ratou Atua, i kore ai ta ratou e whakamutua, kia tae atu ra ano taua mea ki a Tariuha: katahi ka whakahokia mai ai he kupu mo tenei mea, he mea tuhituhi.
Ny tenin'ny taratasy izay nampitondrain'i Tatenay, governoran'ny etỳ an-dafin'ny ony etỳ, sy Setara-bozenay ary ny Afarsekita namany, izay amin'ny etỳ an-dafin'ny ony etỳ; ho any amin'i Dariosy mpanjaka;
Ko nga kupu o te pukapuka i tukua e Tatenai kawana o tera taha o te awa, e Hetara Potenai, e ona hoa, e nga Aparahaki i tera taha o te awa, ki a Kingi Tariuha:
eny, nampitondrainy ho any aminy ny taratasy izay nisy teny toy izao: Ho an'i Dariosy mpanjaka anie ny fiadanana be.
I tukua e ratou he pukapuka ki a ia, a i tuhituhia ki roto; Ki a Tariuha, ki te kingi, kia tau te rangimarie katoa.
Aoka ho fantatry ny mpanjaka fa nankany amin'ny tany Joda izahay ho any an-tranon'Andriamanitra lehibe, izay atao amin'ny vato vaventy, sady misy hazo alatsaka amin'ny rindrin-trano, ary mandroso tsara izany asa izany sady ambinina eo an-tànany.
Kia mohiotia tenei e te kingi, i haere matou ki te whenua o Hura, ki te whare o te Atua nui e hanga nei ki nga kohatu nunui, e whakatakotoria ana hoki he rakau ki nga taha: a kei te hohoro, kei te pai hoki te haere a tenei mahi a o ratou ringa.
Dia nanontany ireo loholona ireo izahay nanao hoe: Iza no nandidy anareo hanao io trano io sy hanangana io manda io?
Katahi matou ka ui ki aua kaumatua; he penei ta matou kupu ki a ratou, Na wai koutou i whakahau kia hanga tenei whare, kia whakaotia enei taiepa?
Nanontany ny anarany avy koa izahay mba hampahafantarinay anao sy hosoratanay ny anaran'ny olona izay lohany;
I uia ano e matou o ratou ingoa, kia whakaaturia ai ki a koe, kia tuhituhia ai e matou nga ingoa o o ratou tino tangata.
ka izao no teny navaliny anay: Izahay dia mpanompon'Andriamanitry ny lanitra sy ny tany ka manamboatra ny trano izay efa vita ela, fa ny mpanjaka lehibe anankiray tamin'ny Isiraely no nanao sy nahavita azy.
Na ko ta ratou kupu tenei i whakahoki ai ki a matou, He pononga matou na te Atua o te rangi, o te whenua, e hanga ana hoki i te whare i hanga i mua noa atu, ka maha nei nga tau; a he kingi nui te kingi o Iharaira nana nei i hanga, i whakaoti.
Fa noho ny nampahatezeran'ny razanay an'Andriamanitry ny lanitra, dia natolony izy ho eo an-tànan'i Nebokadnezara Kaldeana, mpanjakan'i Babylona, izay efa nandrava io trano io ka nitondra ny olona ho babo tany Babylona.
Otiia, i te whakapataritaringa a o matou matua ki te Atua o te rangi, ka hoatu ratou e ia ki te ringa o Nepukaneha Karari kingi o Papurona: nana tenei whare i tukituki, a whakaraua ana e ia te iwi ki Papurona.
Fa tamin'ny taona voalohany nanjakan'i Kyrosy, mpanjakan'i Babylona, kosa dia nanao didy Kyrosy mpanjaka, mba hatao indray io tranon'Andriamanitra io.
I te tuatahi ia o nga tau o Hairuha kingi o Papurona, ka puaki he tikanga i a Kingi Hairuha kia hanga tenei whare o te Atua.
Ary ny fanaka volamena sy volafotsy momba ny tranon'Andriamanitra, izay efa nalain'i Nebokadnezara tao amin'ny tempoly tany Jerosalema ka nentiny ho any amin'ny tempoly any Babylona, dia nalain'i Kyrosy mpanjaka tao amin'ny tempoly any Babylona ka natolotra tamin'ny anankiray atao hoe Sesbazara, izay efa notendreny ho governora;
Na, ko nga oko, ko nga mea koura, hiriwa, o te whare o te Atua, i tangohia nei e Nepukaneha i te temepara i Hiruharama, i kawea ki te temepara o Papurona, i tangohia era e Kingi Hairuha i te temepara o Papurona, a homai ana ki tetahi tangata, to na ingoa ko Hehepatara, i meinga nei e ia hei kawana,
ary hoy izy taminy: Raiso ireo fanaka ireo, ka andeha, apetraho ao amin'ny tempoly izay any Jerosalema; ary aoka ny tranon'Andriamanitra hatsangana eo amin'ilay efa niorenany ihany.
A i mea ia ki a ia, Tangohia enei mea, haere, kawea ki te temepara i Hiruharama; ka hanga hoki i te whare o te Atua ki tona wahi.
Dia avy Sesbazara ka nanao ny fanorenan'ny tranon'Andriamanitra any Jerosalema; ary hatramin'izany andro izany ka mandraka ankehitriny dia efa natao ihany izy, saingy tsy mbola vita.
Katahi ka haere mai taua Hehepatara, whakatakotoria ana e ia te turanga mo te whare o te Atua i Hiruharama: ko te hanganga ano tenei o te temepara, o reira ra ano a mohoa noa nei; heoi kahore ano kia oti noa.
Koa raha sitraky ny mpanjaka, aoka hizahana ny trano firaketan'ny mpanjaka, izay any Babylona, na misy didy nataon'i Kyrosy mpanjaka hanaovana io tranon'Andriamanitra any Jerosalema io, na tsia; ary aoka ny sitrapon'ny mpanjaka hambarany aminay ny amin'izany zavatra izany.
Na, ki te pai te kingi, me rapu i roto i te whare taonga o te kingi i kona, i Papurona, koia ranei i whakatakotoria e Kingi Hairuha he tikanga kia hanga tenei whare o te Atua ki Hiruharama? a kia meatia mai hoki e te kingi tana e pai ai mo tenei mea ki a matou.