III John 1

Izaho loholona mamangy an'i Galo, ilay malala, izay tiako amin'ny fahamarinana.
The elder unto the wellbeloved Gaius, whom I love in the truth.
Ry malala, mangataka aho mba hambinina sy ho salama amin'ny zavatra rehetra anie ianao, tahaka izay anambinana ny fanahinao ihany.
Beloved, I wish above all things that thou mayest prosper and be in health, even as thy soul prospereth.
Fa faly indrindra aho, fony nisy rahalahy tonga ka nanambara ny fahamarinanao, dia toy ny andehananao araka ny fahamarinana.
For I rejoiced greatly, when the brethren came and testified of the truth that is in thee, even as thou walkest in the truth.
Tsy manana fifaliana mihoatra noho izao aho, dia ny andrenesako fa mandeha araka ny fahamarinana ny zanako.
I have no greater joy than to hear that my children walk in truth.
Ry malala, manao asa mahatoky ianao na amin'inona na amin'inona ataonao amin'ireo rahalahy ireo, na dia vahiny aza izy,
Beloved, thou doest faithfully whatsoever thou doest to the brethren, and to strangers;
izay nanambara ny fitiavanao teo anatrehan'ny fiangonana; dia ho soa no ataonao, raha mamoaka azy koa araka izay miendrika hatao noho ny amin'Andriamanitra ianao;
Which have borne witness of thy charity before the church: whom if thou bring forward on their journey after a godly sort, thou shalt do well:
fa noho ny Anarana no niangany, ka tsy naka na inona na inona tamin'ny jentilisa izy.
Because that for his name's sake they went forth, taking nothing of the Gentiles.
Koa isika dia tokony handray tsara izay toy izany, mba ho mpiara-miasa aminy amin'ny fahamarinana.
We therefore ought to receive such, that we might be fellowhelpers to the truth.
Nanoratra tamin'ny fiangonana Ihany aho; nefa Diotrefa, izay te-ho lohany, dia tsy mba mandray anay.
I wrote unto the church: but Diotrephes, who loveth to have the preeminence among them, receiveth us not.
Koa amin'izany, raha tonga aho, dia hotsarovako izay asa ataony, fa mibedibedy foana manaratsy anay izy; ary tsy afa-po amin'izany ihany, fa ny tenany dia tsy mandray ireo rahalahy ireo, ary izay ta-handray azy dia raràny sy roahiny hiala amin'ny fiangonana.
Wherefore, if I come, I will remember his deeds which he doeth, prating against us with malicious words: and not content therewith, neither doth he himself receive the brethren, and forbiddeth them that would, and casteth them out of the church.
Ry malala, aza ny ratsy no alain-tahaka, fa ny tsara. Izay manao ny tsara no avy amin'Andriamanitra; fa izay manao ny ratsy tsy mba nahita an'Andriamanitra.
Beloved, follow not that which is evil, but that which is good. He that doeth good is of God: but he that doeth evil hath not seen God.
Demetrio dia tsara laza amin'ny olona rehetra sy amin'ny fahamarinana koa; ary izahay koa manambara izany, ary fantatrao fa marina ny fanambaranay.
Demetrius hath good report of all men, and of the truth itself: yea, and we also bear record; and ye know that our record is true.
Nanana zavatra maro hosoratana aho, nefa tsy tiako hosoratana aminao amin'ny ranomainty sy ny penina;
I had many things to write, but I will not with ink and pen write unto thee:
fa manantena hahita anao faingana ihany aho, dia hiteny mifanatrika isika. Ho aminao anie ny fiadanana. Ny sakaiza atỳ manao veloma anao. Veloma amin'ny sakaiza tsirairay araka ny anarany avy.
But I trust I shall shortly see thee, and we shall speak face to face. Peace be to thee. Our friends salute thee. Greet the friends by name.