I Chronicles 19

Ary rehefa afaka izany, dia maty Nahasy, mpanjakan'ny taranak'i Amona, ary ny zanany no nanjaka nandimby azy.
Now it came to pass after this, that Nahash the king of the children of Ammon died, and his son reigned in his stead.
Ary hoy Davida: Hanisy soa an'i Hanona, zanak'i Nahasy, aho, fa soa no nataon'ny rainy tamiko. Ary Davida naniraka olona hitsapa alahelo azy noho ny amin-drainy. Ary tonga tany amin'i Hanona tany amin'ny tanin'ny Amonita ny mpanompon'i Davida hitsapa alahelo azy.
And David said, I will shew kindness unto Hanun the son of Nahash, because his father shewed kindness to me. And David sent messengers to comfort him concerning his father. So the servants of David came into the land of the children of Ammon to Hanun, to comfort him.
Ary hoy ireo mpanapaka ny taranak'i Amona tamin'i Hanona: Moa ataonao ho fanajana ny rainao no anirahan'i Davida hitsapa alahelo anao? Fa tsy hizaha sy handrava ary hisafo ny tany va no nalehan'ireo mpanompony ireo atỳ aminao?
But the princes of the children of Ammon said to Hanun, Thinkest thou that David doth honour thy father, that he hath sent comforters unto thee? are not his servants come unto thee for to search, and to overthrow, and to spy out the land?
Dia nosamborin'i Hanona ny mpanompon'i Davida ka noharatany, sady nofolonany hatreo amin'ny foto-peny ny akanjony, ka dia nalefany hody izy.
Wherefore Hanun took David's servants, and shaved them, and cut off their garments in the midst hard by their buttocks, and sent them away.
Ary dia nisy lasa nanambara tamin'i Davida izay natao tamin'ireo lehilahy ireo; ary izy naniraka hitsena azy, fa afa-baraka loatra izy, ka dia hoy ny mpanjaka: Mitoera any Jeriko aloha ambara-panirin'ny somotrareo, vao mody ianareo.
Then there went certain, and told David how the men were served. And he sent to meet them: for the men were greatly ashamed. And the king said, Tarry at Jericho until your beards be grown, and then return.
Ary nony hitan'ny taranak'i Amona fa efa nanao izay nampangidy hoditra azy tamin'i Davida izy, dia naniraka nampanatitra talenta volafotsy arivo hakaramany kalesy sy mpitaingin-tsoavaly any Mesopotamia sy Syriamaka ary Zoba Hanona sy ny taranak'i Amona.
And when the children of Ammon saw that they had made themselves odious to David, Hanun and the children of Ammon sent a thousand talents of silver to hire them chariots and horsemen out of Mesopotamia, and out of Syria–maachah, and out of Zobah.
Dia nanakarama kalesy roa arivo amby telo alina mbamin'ny mpanjakan'i Maka sy ny olony izy; ary tonga ireo ka nitoby tandrifin'i Medeba. Ary nivory ny taranak'Amona niala tany amin'ny tanànany avy ka tamy hiady.
So they hired thirty and two thousand chariots, and the king of Maachah and his people; who came and pitched before Medeba. And the children of Ammon gathered themselves together from their cities, and came to battle.
Ary nony ren'i Davida izany, dia naniraka an'i Joaba sy ny miaramila rehetra izy, dia ny lehilahy mahery.
And when David heard of it, he sent Joab, and all the host of the mighty men.
Ary ny taranak'i Amona nivoaka ka nilahatra hiady teo anoloan'ny vavahadin'ny tanàna; fa ireo mpanjaka tonga ireo kosa dia nitokana teny an-tsaha.
And the children of Ammon came out, and put the battle in array before the gate of the city: and the kings that were come were by themselves in the field.
Ary rehefa hitan'i Joaba fa sady teo anoloany no teo ivohony ny fahavalo, dia nifidy olona tamin'ireo voafantina tamin'ny Isiraely rehetra izy, ka nalahany hiady tamin'ny Syriana.
Now when Joab saw that the battle was set against him before and behind, he chose out of all the choice of Israel, and put them in array against the Syrians.
Ary ny olona sisa kosa nomeny ho entin'i Abisay rahalahiny, ka dia nilahatra hiady amin'ny taranak'i Amona ireo.
And the rest of the people he delivered unto the hand of Abishai his brother, and they set themselves in array against the children of Ammon.
Ary hoy Joaba: Raha tsy tohako ny Syriana, dia vonjeo aho; fa raha tsy tohanao kosa ny taranak'i Amona, dia hovonjeko ianao;
And he said, If the Syrians be too strong for me, then thou shalt help me: but if the children of Ammon be too strong for thee, then I will help thee.
mahereza, ary aoka hitombandahy isika ho an'ny firenentsika sy ireo tanànan'Andriamanitsika; ary aoka Jehovah hanao izay sitrapony.
Be of good courage, and let us behave ourselves valiantly for our people, and for the cities of our God: and let the LORD do that which is good in his sight.
Ary nandroso hiady tamin'ny Syriana Joaba sy ny olona nanaraka azy; ka dia nandositra niala teo anoloany ireo.
So Joab and the people that were with him drew nigh before the Syrians unto the battle; and they fled before him.
Ary nony hitan'ny taranak'i Amona fa nandositra ny Syriana, dia mba nandositra niala teo anoloan'i Abisay, rahalahin'i Joaba, koa izy ka niditra tao an-tanàna. Ary dia tonga tany Jerosalema Joaba.
And when the children of Ammon saw that the Syrians were fled, they likewise fled before Abishai his brother, and entered into the city. Then Joab came to Jerusalem.
Ary nony hitan'ny Syriana fa resy teo anoloan'ny Isiraely izy, dia naniraka olona izy haka ny Syriana izay tany an-dafin'ny Ony; ary Sobaka, komandin'ny miaramilan'i Hadarezera, no nitarika azy.
And when the Syrians saw that they were put to the worse before Israel, they sent messengers, and drew forth the Syrians that were beyond the river: and Shophach the captain of the host of Hadarezer went before them.
Ary nony nambara tamin i Davida izany, dia namory ny Isiraely rehetra izy ka lasa nita an'i Jordana, dia tonga teo aminy ka nilahatra hiady aminy. Ary nony nilahatra hiady amin'ny Syriana Davida, dia niady taminy ireo.
And it was told David; and he gathered all Israel, and passed over Jordan, and came upon them, and set the battle in array against them. So when David had put the battle in array against the Syrians, they fought with him.
Fa vaky nandositra teo anoloan'ny Isiraely ny Syriana, ka nahafaty ny teo amin'ny kalesy fito arivo sy miaramila an-tongotra efatra alina tamin'ny Syriana Davida; ary matiny koa Sobaka, komandin'ny miaramila.
But the Syrians fled before Israel; and David slew of the Syrians seven thousand men which fought in chariots, and forty thousand footmen, and killed Shophach the captain of the host.
Ary nony hitan'ireo nanoa an'i Hadarezera fa resy teo anoloan'ny Isiraely izy, dia nanao fihavanana tamin'i Davida izy ka nanompo azy; ary tsy nety nanampy ny taranak'i Amona intsony ny Syriana.
And when the servants of Hadarezer saw that they were put to the worse before Israel, they made peace with David, and became his servants: neither would the Syrians help the children of Ammon any more.