Jeremiah 27

Tamin'ny niandohan'ny nanjakan'i Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda, no nahatongavan'izao teny izao tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah hoe:
בראשית ממלכת יהויקם בן יאושיהו מלך יהודה היה הדבר הזה אל ירמיה מאת יהוה לאמר׃
Izao no nolazain'i Jehovah tamiko: Manaova famatorana sy zioga ianao, ka ataovy eo am-bozonao,
כה אמר יהוה אלי עשה לך מוסרות ומטות ונתתם על צוארך׃
ary ampanatero any amin'ny mpanjakan'i Edoma sy any amin'ny mpanjakan'i Moaba sy any amin'ny mpanjakan'ny taranak'i Amona sy any amin'ny mpanjakan'i Tyro ary any amin'ny mpanjakan'i Sidona izany ho entin'ny iraka izay mankaty Jerosalema ho atỳ amin'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda;
ושלחתם אל מלך אדום ואל מלך מואב ואל מלך בני עמון ואל מלך צר ואל מלך צידון ביד מלאכים הבאים ירושלם אל צדקיהו מלך יהודה׃
ary asaovy lazainy amin'ny tompony avy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Izao no holazainareo amin'ny tomponareo:
וצוית אתם אל אדניהם לאמר כה אמר יהוה צבאות אלהי ישראל כה תאמרו אל אדניכם׃
Izaho no nanao ny tany sy ny olona ary ny biby izay eo aminy tamin'ny heriko lehibe sy tamin'ny sandriko nahinjitra; ary efa nomeko ho an'izay sitraky ny foko ny tany.
אנכי עשיתי את הארץ את האדם ואת הבהמה אשר על פני הארץ בכחי הגדול ובזרועי הנטויה ונתתיה לאשר ישר בעיני׃
Ary ankehitriny Izaho dia efa nanolotra ireto tany rehetra ireto ho eo an-tànan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, mpanompoko; eny, na dia ny bibi-dia aza dia efa nomeko hanompo azy koa.
ועתה אנכי נתתי את כל הארצות האלה ביד נבוכדנאצר מלך בבל עבדי וגם את חית השדה נתתי לו לעבדו׃
Ary ny firenena rehetra dia hanompo azy sy ny zanany ary ny zafiny ambara-pahatongan'ny fotoana hamaliana ny tanin'izy io kosa, ka hampanompoin'ny firenena maro sy ny mpanjaka lehibe izy.
ועבדו אתו כל הגוים ואת בנו ואת בן בנו עד בא עת ארצו גם הוא ועבדו בו גוים רבים ומלכים גדלים׃
Ary izay firenena na fanjakana tsy mety manompo an'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, ary tsy mety mampiditra ny vozony eo amin'ny ziogan'ny mpanjakan'i Babylona, dia hovaliako amin'ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izany firenena izany, hoy Jehovah, ambara-pandringako azy amin'ny tànany.
והיה הגוי והממלכה אשר לא יעבדו אתו את נבוכדנאצר מלך בבל ואת אשר לא יתן את צוארו בעל מלך בבל בחרב וברעב ובדבר אפקד על הגוי ההוא נאם יהוה עד תמי אתם בידו׃
Ary aza mihaino ny mpaminaninareo ianareo, na ny mpanao fankatovanareo, na ny nofinareo, na ny mpanandronareo, na ny mpanana odinareo, izay manao aminareo hoe: Tsy hanompo ny mpanjakan'i Babylona ianareo.
ואתם אל תשמעו אל נביאיכם ואל קסמיכם ואל חלמתיכם ואל ענניכם ואל כשפיכם אשר הם אמרים אליכם לאמר לא תעבדו את מלך בבל׃
Fa lainga no vinanin'ireo aminareo, mba hamindrana anareo ho lavitra ny taninareo, dia horoahiko ianareo ka ho ringana.
כי שקר הם נבאים לכם למען הרחיק אתכם מעל אדמתכם והדחתי אתכם ואבדתם׃
Fa izay firenena mampiditra ny vozony eo amin'ny ziogan'ny mpanjakan'i Babylona kosa ka manompo azy dia havelako hitoetra amin'ny taniny ihany, hoy Jehovah, ka hiasa azy sady honina ao izy.
והגוי אשר יביא את צוארו בעל מלך בבל ועבדו והנחתיו על אדמתו נאם יהוה ועבדה וישב בה׃
Ary Zedekia, mpanjakan'ny Joda. koa dia efa nilazako araka izany teny rehetra izany hoe: Ampidiro eo amin'ny ziogan'ny mpanjakan'i Babylona ny vozonareo, ka manompoa azy sy ny vahoakany, dia ho velona ianareo.
ואל צדקיה מלך יהודה דברתי ככל הדברים האלה לאמר הביאו את צואריכם בעל מלך בבל ועבדו אתו ועמו וחיו׃
Nahoana no ho fatin'ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana ianareo, dia ianao mbamin'ny vahoakanao, araka ny nolazain'i Jehovah ny amin'ny firenena izay tsy mety manompo ny mpanjakan'i Babylona?
למה תמותו אתה ועמך בחרב ברעב ובדבר כאשר דבר יהוה אל הגוי אשר לא יעבד את מלך בבל׃
Koa aza mihaino ny tenin'ny mpaminany izay manao aminareo hoe: Tsy hanompo ny mpanjakan'i Babylona ianareo; fa lainga no vinanin'ireo aminareo.
ואל תשמעו אל דברי הנבאים האמרים אליכם לאמר לא תעבדו את מלך בבל כי שקר הם נבאים לכם׃
Fa tsy naniraka azy Aho, hoy Jehovah, nefa manandoka ho mpaminany amin'ny anarako ihany izy, mba handroahako anareo, ka ho lany ringana ianareo, dia ianareo sy ny mpaminany izay maminany aminareo.
כי לא שלחתים נאם יהוה והם נבאים בשמי לשקר למען הדיחי אתכם ואבדתם אתם והנבאים הנבאים לכם׃
Ary ny mpisorona sy ity firenena rehetra ity dia efa nilazako hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Aza mihaino ny tenin'ny mpaminaninareo. izay maminany aminareo hoe: Indro, ny fanaky ny tranon'i Jehovah hampodina faingana avy any Babylona; fa lainga no vinaniny aminareo.
ואל הכהנים ואל כל העם הזה דברתי לאמר כה אמר יהוה אל תשמעו אל דברי נביאיכם הנבאים לכם לאמר הנה כלי בית יהוה מושבים מבבלה עתה מהרה כי שקר המה נבאים לכם׃
Aza mihaino azy, fa manompoa ny mpanjakan'i Babylona, dia ho velona ianareo; fa nahoana no ho rava ity tanàna ity?
אל תשמעו אליהם עבדו את מלך בבל וחיו למה תהיה העיר הזאת חרבה׃
Fa raha mpaminany tokoa ireo, ary raha ao aminy tokoa ny tenin'i Jehovah, dia aoka hifona amin'i Jehovah, Tompon'ny maro, izy, mba tsy ho lasa ho any Babylona koa ny fanaka sisa ao an-tranon'i Jehovah sy ao an-tranon'ny mpanjakan'ny Joda sy ato Jerosalema
ואם נבאים הם ואם יש דבר יהוה אתם יפגעו נא ביהוה צבאות לבלתי באו הכלים הנותרים בבית יהוה ובית מלך יהודה ובירושלם בבלה׃
Fa izao ny lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, ny amin'ny andry sy ny tavin-drano lehibe sy ny fitoeran-tavin-drano ary ny amin'ny fanaka hafa izay mbola sisa amin'ity tanàna ity,
כי כה אמר יהוה צבאות אל העמדים ועל הים ועל המכנות ועל יתר הכלים הנותרים בעיר הזאת׃
dia izay tsy nalain'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona, fony izy nitondra an'i Jekonia, zanak'i Joiakima, mpanjakan'ny Joda, ho babo avy tany Jerosalema ho any Babylona, mbamin'ny manan-kaja rehetra amin'ny Joda sy Jerosalema,
אשר לא לקחם נבוכדנאצר מלך בבל בגלותו את יכוניה בן יהויקים מלך יהודה מירושלם בבלה ואת כל חרי יהודה וירושלם׃
eny, izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, ny amin'ny fanaka izay sisa ao an-tranon'i Jehovah sy ao an-tranon'ny mpanjakan'ny Joda sy ato Jerosalema:
כי כה אמר יהוה צבאות אלהי ישראל על הכלים הנותרים בית יהוה ובית מלך יהודה וירושלם׃
Ho any Babylona no hitondrana ireo, sady hitoetra any izy ambara-pahatongan'ny andro hamangiako azy, hoy Jehovah, dia vao ho entiko miakatra izy ka hampodiko amin'ity tanàna ity.
בבלה יובאו ושמה יהיו עד יום פקדי אתם נאם יהוה והעליתים והשיבתים אל המקום הזה׃