Jeremiah 41

Ary tamin'ny volana fahafito dia tonga tany amin'i Gedalia, zanak'i Ahikama, tao Mizpa Isimaela, zanak'i Netania, zanak'i Elisama, taranaky ny mpanjaka, sy ny mpanapaky ny mpanjaka; ary nisy folo lahy niaraka taminy; ary niara-nihinan-kanina tao Mizpa izy.
七月间,王的大臣宗室以利沙玛的孙子、尼探雅的儿子以实玛利带著十个人,来到米斯巴见亚希甘的儿子基大利。他们在米斯巴一同吃饭。
Dia nitsangana Isimaela, zanak'i Netania, sy ireo olona folo lahy niaraka taminy ka namely sabatra an'i Gedalia, zanak'i Ahikama, zanak'i Safana, dia nahafaty ilay efa nataon'ny mpanjakan'i Babylona ho mpanapaka ny tany.
尼探雅的儿子以实玛利和同他来的那十个人起来,用刀杀了沙番的孙子亚希甘的儿子基大利,就是巴比伦王所立为全地省长的。
Ary ny Jiosy rehetra izay tao aminy, dia izay tao amin'i Gedalia tao Mizpa, sy ny Kaldeana izay hita tao ary ny miaramila dia novonoin'Isimaela avokoa.
以实玛利又杀了在米斯巴、基大利那里的一切犹大人和所遇见的迦勒底兵丁。
Ary nony ampitson'ny andro namonoana an'i Gedalia, raha tsy mbola nisy olona nahalala izany,
他杀了基大利,无人知道。
dia nisy valo-polo lahy avy tany Sekema sy Silo ary Samaria, izay samy mihara-bolom-bava, sady voatriatra ny fitafiany, ary voatetika ny tenany, nitondra fanatitra sy ditin-kazo mani-pofona teny an-tànany ho entina ao an-tranon'i Jehovah.
第二天,有八十人从示剑和示罗,并撒马利亚来,胡须剃去,衣服撕裂,身体划破,手拿素祭和乳香,要奉到耶和华的殿。
Ary Isimaela, zanak'i Netania, dia nivoaka avy tao Mizpa hitsena azy sady nitomany teny ampandehanana, ary nony efa nihaona taminy izy, dia niteny taminy hoe: Mankanesa any amin'i Gedalia, zanak'i Ahikama.
尼探雅的儿子以实玛利出米斯巴迎接他们,随走随哭。遇见了他们,就对他们说:「你们可以来见亚希甘的儿子基大利。」
Ary nony tonga tao afovoan'ny tanàna izy ireo, dia novonoin'Isimaela, zanak'i Netania, mbamin'ny olona nanaraka azy izy ka nariany tao anaty lavaka famorian-drano.
他们到了城中,尼探雅的儿子以实玛利和同著他的人就将他们杀了,抛在坑中。
Fa nisy folo lahy tamin'ireo nanao tamin'Isimaela hoe: Aza vonoina izahay; fa manan-tahiry any an-tsaha izahay, dia vary tritika sy vary hordea sy diloilo ary tantely. Ka dia nijanona izy, fa tsy namono ireo tahaka ny efa nataony tamin'ny namany.
只是他们中间有十个人对以实玛利说:「不要杀我们,因为我们有许多大麦、小麦、油、蜜藏在田间。」于是他住了手,没有将他们杀在弟兄中间。
Ary ilay lavaka nanarian'Isimaela ny fatin'ny olona rehetra, izay novonoiny ho eo anilan'i Gedalia, dia ilay efa nataon'i Asa mpanjaka mba hiereny an'i Basa, mpanjakan'ny Isiraely, dia nofenoin'Isimaela, zanak'i Netania, faty.
以实玛利将所杀之人的尸首都抛在坑里基大利的旁边;这坑是从前亚撒王因怕以色列王巴沙所挖的。尼探雅的儿子以实玛利将那些被杀的人填满了坑。
Ary nentin'Isimaela ho babo ny olona rehetra izay sisa tao Mizpa, na ny vehivavy zanak'andriana, na ny olona rehetra izay sisa tao Mizpa, izay napetrak'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, tao amin'i Gedalia, zanak'i Ahikama; eny, Isimaela, zanak'i Netania, nitondra azy ireny ho babo, ka dia lasa niala nankany amin'ny taranak'i Amona izy.
以实玛利将米斯巴剩下的人,就是众公主和仍住在米斯巴所有的百姓,原是护卫长尼布撒拉旦交给亚希甘的儿子基大利的,都掳去了。尼探雅的儿子以实玛利掳了他们,要往亚扪人那里去。
Fa nony ren'i Johanana, zanak'i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra izay tao aminy ny ratsy rehetra nataon'Isimaela, zanak'i Netania,
加利亚的儿子约哈难和同著他的众军长听见尼探雅的儿子以实玛利所行的一切恶,
dia novoriny ny olona rehetra ka nentiny niady tamin'Isimaela, zanak'i Netania ary hitany teo amoron'ny kamory ao Gibeona izy.
就带领众人前往,要和尼探雅的儿子以实玛利争战,在基遍的大水旁(或译:大水池旁)遇见他。
Ary ny olona rehetra izay tao amin'Isimaela, nony nahita an'i Johanana, zanak'i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra izay tao aminy, dia faly.
以实玛利那里的众人看见加利亚的儿子约哈难和同著他的众军长,就都欢喜。
Ary ny olona rehetra izay nentin'Isimaela ho babo avy tany Mizpa dia nitodika ka niverina nanatona an'i Johanana, zanak'i Karea.
这样,以实玛利从米斯巴所掳去的众人都转身归加利亚的儿子约哈难去了。
Fa Isimaela, zanak'i Netania, sy ny olona valo lahy kosa dia afaka nandositra an'i Johanana ka lasa nankany amin'ny taranak'i Amona.
尼探雅的儿子以实玛利和八个人脱离约哈难的手,逃往亚扪人那里去了。
Ary Johanana, zanak'i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra izay tao aminy dia nitondra ny olona rehetra izay voavonjiny ho afaka tamin'Isimaela, zanak'i Netania, avy tany Mizpa, taorian'ny namonoany an'i Gedalia, zanak'i Ahikama, dia ny lehilahy mpiady sy ny zaza amim-behivavy ary ny tandapa, izay nentiny niverina avy tany Gibeona;
尼探雅的儿子以实玛利杀了亚希甘的儿子基大利,从米斯巴将剩下的一切百姓、兵丁、妇女、孩童、太监掳到基遍之后,加利亚的儿子约哈难和同著他的众军长将他们都夺回来,
ary dia lasa izy ireo ka nitoetra tao Gerota-kimama, izay ao akaikin'i Betlehema, mba handehanany hankany Egypta.
带到靠近伯利恒的金罕寓(或译:基罗特金罕)住下,要进入埃及去;
tsy ho tratry ny Kaldeana; fa natahotra azy izy, satria Isimaela, zanak'i Netania, efa namono an'i Gedalia, zanak'i Ahikama, izay notendren'ny mpanjakan'i Babylona ho mpanapaka ny tany.
因为尼探雅的儿子以实玛利杀了巴比伦王所立为省长的亚希甘的儿子基大利,约哈难惧怕迦勒底人。