Jeremiah 42

Ary ny mpifehy ny miaramila rehetra sy Johanana, zanak'i Karea, sy Jazania, zanak'i Hosaia, mbamin'ny vahoaka rehetra, na kely na lehibe, dia nanatona
众军长和加利亚的儿子约哈难,并何沙雅的儿子耶撒尼亚(又名亚撒利雅,见四十三章二节)以及众百姓,从最小的到至大的都进前来,
ka niteny tamin'i Jeremia mpaminany hoe: Masìna ianao, aoka hoborahina eto anatrehanao ny fifonanay, ary mba ivavaho amin'i Jehovah Andriamanitrao re izahay, dia ireto sisa rehetra ireto (fa vitsy izahay no sisa, na dia maro aza fahiny, dia araka izao hitan'ny masonao izao),
对先知耶利米说:「求你准我们在你面前祈求,为我们这剩下的人祷告耶和华─你的 神。我们本来众多,现在剩下的极少,这是你亲眼所见的。
mba hambaran'i Jehovah Andriamanitrao anay izay lalana mety halehanay sy izay zavatra tokony hataonay.
愿耶和华─你的 神指示我们所当走的路,所当做的事。」
Dia hoy Jeremia mpaminany taminy: Efa reko izany; koa, indro, hivavaka amin'i Jehovah Andriamanitrareo ary aho araka ny teninareo; ary ny teny rehetra Izay havalin'i Jehovah anareo dia hambarako anareo, fa tsy hisy hafeniko.
先知耶利米对他们说:「我已经听见你们了,我必照著你们的话祷告耶和华─你们的 神。耶和华无论回答什么,我必都告诉你们,毫不隐瞒。」
Dia hoy izy tamin'i Jeremia: Jehovah no aoka ho vavolombelona marina sy mahatoky amintsika, raha tsy manao araka ny teny rehetra izay anirahan'i Jehovah Andriamanitrao anao aminay izahay.
于是他们对耶利米说:「我们若不照耶和华─你的 神差遣你来说的一切话行,愿耶和华在我们中间作真实诚信的见证。
Na ho soa, na ho ratsy, dia hohenoinay ny feon'i Jehovah Andriamanitray, izay nanirahanay anao, mba hahasoa anay, raha mihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitray izahay.
我们现在请你到耶和华─我们的 神面前,他说的无论是好是歹,我们都必听从;我们听从耶和华─我们 神的话,就可以得福。」
Ary nony afaka hafoloana, dia tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Jehovah.
过了十天,耶和华的话临到耶利米。
Ary izy niantso an'i Johanana, zanak'i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra izay teo aminy mbamin'ny olona rehetra, na kely na lehibe,
他就将加利亚的儿子约哈难和同著他的众军长,并众百姓,从最小的到至大的都叫了来,
ka nanao taminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay efa nanirahanareo ahy mba hoborahiko eo anatrehany ny fifonanareo:
对他们说:「耶和华─以色列的 神,就是你们请我在他面前为你们祈求的主,如此说:
Raha mbola honina amin'ity tany ity ihany ianareo, dia haoriko ianareo, fa tsy horavako, ary hamboleko ianareo, fa tsy hongotako, fa manenina Aho ny amin'ny loza namelezako anareo.
『你们若仍住在这地,我就建立你们,必不拆毁,栽植你们,并不拔出,因我为降与你们的灾祸后悔了。
Aza matahotra ny mpanjakan'i Babylona izay atahoranareo; eny, aza matahotra azy, hoy Jehovah, fa momba anareo Aho hamonjy sy hanafaka anareo amin'ny tànany.
不要怕你们所怕的巴比伦王。』」耶和华说:「不要怕他!因为我与你们同在,要拯救你们脱离他的手。
Ary hataoko mahita famindram-po ianareo, dia hamindra fo aminareo izy ka hampody anareo ho any amin'ny taninareo.
我也要使他发怜悯,好怜悯你们,叫你们归回本地。』
Fa raha hoy kosa ianareo: Tsy honina amin'ity tany ity izahay, ka tsy hihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo,
倘若你们说:『我们不住在这地』,以致不听从耶和华─你们 神的话,
fa manao hoe: Tsia; fa hankany amin'ny tany Egypta izahay, fa any no tsy hahitanay ady, na handrenesanay ny feon'ny anjomara na hahitanay mosary, ka dia any no honenanay,
说:『我们不住这地,却要进入埃及地,在那里看不见争战,听不见角声,也不致无食饥饿。我们必住在那里。』
dia mihainoa ny tenin'i Jehovah ankehitriny ianareo izay sisa amin'ny Joda: Izao no lazain'i Jehovah. Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Raha dia mikiry hankany Egypta ihany ianareo ka mandeha hivahiny any,
你们所剩下的犹大人哪,现在要听耶和华的话。万军之耶和华─以色列的 神如此说:『你们若定意要进入埃及,在那里寄居,
dia hahatratra anareo any amin'ny tany Egypta ny sabatra izay atahoranareo, ary ny mosary izay ahinareo no hanjohy anareo any amin'ny tany Egypta, ary any no hahafaty anareo.
你们所惧怕的刀剑在埃及地必追上你们!你们所惧怕的饥荒在埃及要紧紧地跟随你们!你们必死在那里!
Ary ny olona rehetra izay mikiry hankany Egypta hivahiny any dia ho fatin'ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana any; ary tsy hisy sisa ho afa-mandositra ny loza izay hataoko mihatra aminy.
凡定意要进入埃及在那里寄居的必遭刀剑、饥荒、瘟疫而死,无一人存留,逃脱我所降与他们的灾祸。』
Fa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Toy ny nanidinana ny fahatezerako sy ny fahavinirako tamin'ny mponina any Jerosalema, dia toy izany no hanidinana ny fahatezerako aminareo, raha mankany Egypta ianareo; ary ho fianianana sy ho figagana sy ho fanozonana ary ho fandatsa ianareo, sady tsy hahita ity tany ity intsony.
「万军之耶和华─以色列的 神如此说:『我怎样将我的怒气和忿怒倾在耶路撒冷的居民身上,你们进入埃及的时候,我也必照样将我的忿怒倾在你们身上,以致你们令人辱骂、惊骇、咒诅、羞辱,你们不得再见这地方。』
Jehovah efa nilaza ny aminareo, ry sisa amin'ny Joda, hoe: Aza mankany Egypta ianareo; aoka ho fantatrareo tokoa fa efa nanariko androany ianareo.
所剩下的犹大人哪,耶和华论到你们说:『不要进入埃及去。』你们要确实地知道我今日警教你们了。
Kanjo efa nivily ianareo ka nahavoa ny ainareo tamin'ny nanirahanareo ahy ho amin'i Jehovah Andriamanitrareo hanao hoe: Mba ivavaho amin'i Jehovah Andriamanitsika re izahay, ary izay rehetra holazain'i Jehovah Andriamanitsika dia ambarao aminay, fa hataonay.
你们行诡诈自害;因为你们请我到耶和华─你们的 神那里,说:『求你为我们祷告耶和华─我们 神,照耶和华─我们的 神一切所说的告诉我们,我们就必遵行。』
Ary efa nambarako taminareo androany; nefa tsy nihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo ny amin'izay zavatra nanirahany ahy ho aminareo.
我今日将这话告诉你们,耶和华─你们的 神为你们的事差遣我到你们那里说的,你们却一样没有听从。
Koa aoka ho fantatrareo marimarina fa ho fatin-tsabatra sy mosary ary areti-mandringana ianareo any amin'ny tany izay tianareo hivahiniana.
现在你们要确实地知道,你们在所要去寄居之地必遭刀剑、饥荒、瘟疫而死。」