Isaiah 62

Tsy hangina Aho noho ny amin'i Ziona, Ary tsy hitsaha-miteny Aho noho ny amin'i Jerosalema, mandra-piposaky ny fahamarinany tahaka ny famirapiratry ny mazava, ary ny famonjena azy tahaka ny fanilo mirehitra.
我因锡安必不静默,为耶路撒冷必不息声,直到他的公义如光辉发出,他的救恩如明灯发亮。
Ny firenena hahita ny fahamarinanao, ary ny mpanjaka rehetra hahita ny voninahitrao; dia homena anaram-baovao ianao, Izay hotononin'ny vavan'i Jehovah;
列国必见你的公义;列王必见你的荣耀。你必得新名的称呼,是耶和华亲口所起的。
Ka dia ho tonga satro-boninahitra eo an-tànany ianao sy satrok'andriana eo am-pelatanan'Andriamanitrao.
你在耶和华的手中要作为华冠,在你 神的掌上必作为冕旒。
Hianao tsy hatao intsony hoe nafoy, ary ny taninao tsy hatao intsony hoe Lao fa ianao hatao hoe Ilay sitrako, ary ny taninao hatao hoe Vady ampakarina; Fa sitrak'i Jehovah ianao, ary ny taninao hampanambadina.
你必不再称为撇弃的;你的地也不再称为荒凉的。你却要称为我所喜悦的;你的地也必称为有夫之妇。因为耶和华喜悦你,你的地也必归他。
Fa tahaka ny zatovo mampakatra virijina ho vadiny no hampakaran'ny mponina aminao anao; ary tahaka ny fifalian'ny mpampakatra amin'ny ampakariny no hifalian'Andriamanitrao aminao.
少年人怎样娶处女,你的众民(民:原文是子)也要照样娶你;新郎怎样喜悦新妇,你的 神也要照样喜悦你。
Efa nanendry mpiambina ho eny ambonin'ny mandanao Aho, ry Jerosalema ô, koa mandrakariva na andro na alina dia tsy mahazo mangina ireny; eny, ianareo izay mpampahatsiaro an'i Jehovah, aza mitsahatra;
耶路撒冷啊,我在你城上设立守望的,他们昼夜必不静默。呼籲耶和华的,你们不要歇息,
Ary aza mamela Azy hitsahatra mandra-panaony an'i Jerosalema ho mafy orina sy hoderaina amin'ny tany.
也不要使他歇息,直等他建立耶路撒冷,使耶路撒冷在地上成为可讚美的。
Jehovah efa nianiana tamin'ny tànany ankavanana, dia tamin'ny sandriny mahery, hoe: Tsy homeko hohanin'ny fahavalonao intsony ny varinao, ary ny hafa firenena tsy hisotro ny ranom-boalobokao izay efa nisasaranao;
耶和华指著自己的右手和大能的膀臂起誓说:我必不再将你的五谷给你仇敌作食物;外邦人也不再喝你劳碌得来的新酒。
Fa izay nijinja azy no hihinana azy ka hidera an'i Jehovah; ary izay nioty azy no hisotro azy ao amin'ny kianjako masina.
惟有那收割的要吃,并讚美耶和华;那聚敛的要在我圣所的院内喝。
Mivoaha, mivoaha amin'ny vavahady, amboary ny lalana halehan'ny olona; asandrato ho avo ny lalambe; esory ny vato eny aminy; manangàna faneva ho tazan'ny firenena.
你们当从门经过经过,预备百姓的路;修筑修筑大道,捡去石头,为万民竖立大旗,
Indro, Jehovah efa nanambara hatrany amin'ny faran'izao tontolo izao nanao hoe: Lazao amin'i Ziona zanakavavy: Indro, avy ny famonjena anao; Indro; ny valim-pitia hatolony dia ao aminy, ary ny valin'asa homeny dia eo anoloany.
看哪,耶和华曾宣告到地极,对锡安的居民(原文是女子)说:你的拯救者来到。他的赏赐在他那里;他的报应在他面前。
Ary Ireny hotononina hoe Firenena masina, dia olona navotan'i Jehovah; ary ianao dia hatao hoe Ilay notadiavina, Tanàna tsy foy.
人必称他们为圣民,为耶和华的赎民;你也必称为被眷顾、不撇弃的城。