Isaiah 63

Iza moa Ity avy any Edoma, dia avy any Bozra, ka mena mangatrakatraka ny fitafiany, dia Ity Izay mareva-pitafiana sy miandranandrana amin'ny haben ny heriny? Izaho Izay mitory fahamarinana sady manan-kery hamonjy.
这从以东的波斯拉来,穿红衣服,装扮华美,能力广大,大步行走的是谁呢?就是我,是凭公义说话,以大能施行拯救。
Nahoana no mena ny fitafianao, ary ny akanjonao no tahaka ny an'izay manosihosy ny famiazam-boaloboka?
你的装扮为何有红色?你的衣服为何像踹酒醡的呢?
Nanosihosy ny famiazam-boaloboka irery Aho; fa tsy mba nisy niaraka tamiko ny avy tamin'ny firenena na dia iray akory aza; nanitsaka ireny tamin'ny fahatezerako Aho sy nanosihosy azy tamin'ny fahavinirako, dia nipitipitihan'ny ràny ny fitafiako, ka voalotoko ny akanjoko rehetra.
我独自踹酒醡;众民中无一人与我同在。我发怒将他们踹下,发烈怒将他们践踏。他们的血溅在我衣服上,并且污染了我一切的衣裳。
Fa efa ato am-poko ny andro hamaliako, ary tonga ny taonan'ny voavotro.
因为,报仇之日在我心中;救赎我民之年已经来到。
Nitsinjo Aho, nefa tsy nisy hamonjy, ary talaniona Aho, satria tsy nisy hanohana, ka dia ny sandriko ihany no nanao famonjena ho Ahy, ary ny fahavinirako no nanohana Ahy.
我仰望,见无人帮助;我诧异,没有人扶持。所以,我自己的膀臂为我施行拯救;我的烈怒将我扶持。
Nanitsaka firenena tamin'ny fahatezerako Aho sady nampahaleony azy tamin'ny fahavinirako ary nandatsaka ny ràny tamin'ny tany.
我发怒,踹下众民;发烈怒,使他们沉醉,又将他们的血倒在地上。
Ny famindram-pon'i Jehovah no hambarako, dia ny fiderana an'i Jehovah araka izay rehetra nataony tamintsika sy ny haben'ny fahasoavana tamin'ny taranak'Isiraely. Izay nomeny azy araka ny fiantrany sy araka ny haben'ny famindram-pony.
我要照耶和华一切所赐给我们的,提起他的慈爱和美德,并他向以色列家所施的大恩;这恩是照他的怜恤和丰盛的慈爱赐给他们的。
Fa hoy Izy: Oloko tokoa ireo, dia zanaka tsy mba handainga; ka dia tonga Mpamonjy azy Izy.
他说:他们诚然是我的百姓,不行虚假的子民;这样,他就作了他们的救主。
Tamin'ny fahoriany rehetra dia niory koa Izy, ary Ilay Anjelin'ny tavany no namonjy ireo; ny fitiavany sy ny famindram-pony no nanavotany azy sy nivimbinany azy ary nitondrany azy tamin'ny andro taloha ela rehetra.
他们在一切苦难中,他也同受苦难;并且他面前的使者拯救他们;他以慈爱和怜悯救赎他们;在古时的日子常保抱他们,怀搋他们。
Fa ireo kosa dia niodina ka nanome alahelo ny Fanahy Masiny; dia tonga fahavalony Izy ka niady taminy.
他们竟悖逆,使主的圣灵担忧。他就转作他们的仇敌,亲自攻击他们。
Ary ny olony dia nahatsiaro ny andro taloha ela, dia ny tamin'i Mosesy. Aiza Ilay nitondra azy mbamin'ny mpiandry ondriny niakatra avy tamin'ny ranomasina? Aiza Ilay nametraka ny Fanahy Masiny tao aminy,
那时,他们(原文是他)想起古时的日子─摩西和他百姓,说:将百姓和牧养他全群的人从海里领上来的在哪里呢?将他的圣灵降在他们中间的在哪里呢?
Dia Ilay nampandeha ny sandriny be voninahitra teo ankavanan'i Mosesy ka nampisaraka ny ranomasina teo anoloany, mba hanaovany anarana mandrakizay ho Azy,
使他荣耀的膀臂在摩西的右手边行动,在他们前面将水分开,要建立自己永远的名,
Dia Ilay nitondra azy nita ny rano lalina, tahaka ny fandehan'ny soavaly eny an-tany lemaka, ka tsy tafintohina izy?
带领他们经过深处,如马行走旷野,使他们不致绊跌的在哪里呢?
Tahaka ny fidinan'ny biby fiompy ho any an-dohasaha no nanomezan'ny Fanahin'i Jehovah fitsaharana ho azy: Tahaka izany no nitondranao ny olonao, Mba hanaovana anarana be voninahitra ho Anao.
耶和华的灵使他们得安息,彷彿牲畜下到山谷;照样,你也引导你的百姓,要建立自己荣耀的名。
Mitsinjova eny an-danitra, ary mijere eny amin'ny fonenan'ny fahamasinanao sy ny voninahitrao; aiza ny fahasaro-piaronao sy ny asanao lehibe? Ny fandevilevin'ny kibonao sy ny famindram-ponao dia voasakana tsy ho amiko.
求你从天上垂顾,从你圣洁荣耀的居所观看。你的热心和你大能的作为在哪里呢?你爱慕的心肠和怜悯向我们止住了。
Kanefa Hianao no Rainay, fa Abrahama tsy mahalala anay, Ary Isiraely tsy mahafantatra anay, Jehovah ô, Hianao no Rainay, ary Mpanavotra anay no anaranao hatrizay hatrizay.
亚伯拉罕虽然不认识我们,以色列也不承认我们,你却是我们的父。耶和华啊,你是我们的父;从万古以来,你名称为我们的救赎主。
Jehovah ô, nahoana no nampiala anay tamin'ny lalanao Hianao ka nampaniasia anay sady nanamafy ny fonay tsy hatahotra Anao? Miverena noho ny amin'ny mpanomponao, dia ny firenena lovanao.
耶和华啊,你为何使我们走差离开你的道,使我们心里刚硬、不敬畏你呢?求你为你仆人,为你产业支派的缘故,转回来。
Vetivety foana no nananan'ny olonao masina ny tany; ny fahavalonay efa nanitsaka ny fitoeranao masina.
你的圣民不过暂时得这产业;我们的敌人已经践踏你的圣所。
Efa tonga hoatra izay tsy notapahinao hatrizay hatrizay izahay sady tsy mba nantsoina tamin'ny anaranao akory. Enga anie ka hotriarinao ny lanitra mba hidinanao, ka hihorohoro eo anoloanao ny tendrombohitra,
我们好像你未曾治理的人,又像未曾得称你名下的人。