Isaiah 39

Tamin'izany andro izany no nampitondran'i Merodaka-baladana, zanak'i Baladana, mpanjakan'i Babylona, taratasy sy fanomezana ho an'i Hezekia; fa efa reny fa narary izy ka sitrana.
那时,巴比伦王巴拉但的儿子米罗达巴拉但听见希西家病而痊癒,就送书信和礼物给他。
Ary dia faly Hezekia noho izany ka nampiseho azy ny trano fitehirizany zava-tsoa, dia volafotsy sy volamena sy zava-manitra ary menaka tsara, sy ny trano fitehirizana ny fiadiany rehetra mbamin'izay rehetra tao amin'ny firaketany; tsy nisy zavatra tsy nasehon'i Hezekia azy, na ny tao an-tranony, na ny tao amin'ny fanjakany rehetra.
希西家喜欢见使者,就把自己宝库的金子、银子、香料、贵重的膏油,和他武库的一切军器,并所有的财宝都给他们看;他家中和全国之内,希西家没有一样不给他们看的。
Dia nankany amin'i Hezekia mpanjaka mpaminany ka nanao taminy hoe: Ahoana no nolazain'ireo olona ireo, ary avy taiza nihaviany hankatỳ aminao? Ary hoy Hezekia: Nankaty amiko avy tany an-tany lavitra izy, dia avy tany Babylona.
于是先知以赛亚来见希西家王,问他说:「这些人说什么?他们从哪里来见你?」希西家说:「他们从远方的巴比伦来见我。」
Dia hoy izy: Ka inona avy anefa no hitany tato ananonao? Ary hoy Hezekia: Izay rehetra an-tranoko dia efa hitany avokoa; tsy nisy zavatra tsy nasehoko azy ny ao amin'ny firaketako rehetra.
以赛亚说:「他们在你家里看见了什么?」希西家说:「凡我家中所有的,他们都看见了;我财宝中没有一样不给他们看的。」
Ary hoy Isaia tamin'i Hezekia: Henoy ny tenin'i Jehovah, Tompon'ny maro:
以赛亚对希西家说:「你要听万军之耶和华的话:
Indro, avy ny andro, ka ho entina ho any Babylona izay rehetra ao an-tranonao sy izay rehetra noharin'ny razanao ka voatahiry mandraka androany; eny, tsy hisy sisa hijanona inona na inona, hoy Jehovah.
日子必到,凡你家里所有的,并你列祖积蓄到如今的,都要被掳到巴比伦去,不留下一样;这是耶和华说的。
Ary na dia terakao aza dia hisy ho entiny koa, ka ho tandonaka any amin'ny lapan'ny mpanjakan'i Babylona ireo.
并且从你本身所生的众子,其中必有被掳去、在巴比伦王宫里当太监的。」
Dia hoy Hezekia tamin'Isaia: Tsara ny tenin'i Jehovah izay nolazainao. Ary hoy koa izy: Eny, hisy fiadanana amin'ny androko handry fahizay.
希西家对以赛亚说:「你所说耶和华的话甚好,因为在我的年日中必有太平和稳固的景况。」