Isaiah 38

Ary tamin'izany andro izany dia narary saiky maty Hezekia; ary Isaia mpaminany zanak'i Amoza, nankao aminy ka nilaza taminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Hafaro ny ankohonanao, fa ho faty ianao, fa tsy ho velona.
那时希西家病得要死,亚摩斯的儿子先知以赛亚去见他,对他说:「耶和华如此说:你当留遗命与你的家,因为你必死不能活了。」
Dia nitodika nankany amin'ny rindrina Hezekia ka nivavaka tamin'i Jehovah
希西家就转脸朝墙,祷告耶和华说:
hoe: Jehovah ô, enga anie ka hotsarovanao ny nandehanako teo anatrehanao tamin'ny fahamarinana sy tamin'ny foko rehetra ary ny nanaovako izay tsara eo imasonao Dia nitomany mafy dia mafy izy.
「耶和华啊,求你记念我在你面前怎样存完全的心,按诚实行事,又做你眼中所看为善的。」希西家就痛哭了。
Dia tonga tamin'Isaia ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
耶和华的话临到以赛亚说:
Mandehana, ka lazao amin'i Hezekia hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitr'i Davida rainao: Efa nohenoiko ny fitarainanao, ary efa hitako ny ranomasonao; indro, hampiako dimy ambin'ny folo taona ny andronao,
「你去告诉希西家说,耶和华─你祖大卫的 神如此说:我听见了你的祷告,看见了你的眼泪。我必加增你十五年的寿数;
sady hamonjy anao sy ity tanàna ity amin'ny tanan'ny mpanjakan'i Asyria Aho; ary hiaro ity tanàna ity Aho.
并且我要救你和这城脱离亚述王的手,也要保护这城。
Ary izao no ho famantarana ho anao avy amin'i Jehovah, hahalalanao fa Jehovah hanao izay zavatra nolazainy:
我─耶和华必成就我所说的。我先给你一个兆头,
Indro, hampiverina ny aloka hàdiny folo Aho araka ny nampidinan'ny masoandro azy teo amin'ny dialin' i Ahaza. Ka dia niverina hàdiny folo ny masoandro, dia ilay efa nidinany.
就是叫亚哈斯的日晷,向前进的日影往后退十度。」于是,前进的日影果然在日晷上往后退了十度。
Ny teny nosoratan'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda, raha narary izy ka sitrana tamin'ny aretiny:
犹大王希西家患病已经痊癒,就作诗说:
Hoy izaho: Amin'izao andro mbola iadanako izao no tsy maintsy idirako amin'ny vavahadin'ny fiainan-tsi-hita; nesorina tamiko ny androko sisa.
我说:正在我中年(或译:晌午)之日必进入阴间的门;我余剩的年岁不得享受。
Hoy izaho: Tsy mba hahita an'i Jehovah intsony aho. Eny, tsy mba hahita an'i Jehovah ao amin'ny velona intsony aho; Tsy mba hahita olona intsony aho, fa ho isan'ny mponina any amin'ny fiainan-tsi-hita.
我说:我必不得见耶和华,就是在活人之地不见耶和华;我与世上的居民不再见面。
Ny fonenako nesorina ka nafindra tsy ho amiko, tahaka ny lain'ny mpiandry ondry; Ahoroko tahaka ny tenona ny androko, fa efa hotapahiny ho afaka amin'ny haraka izy; Indray andro monja no anaperanao ny aiko.
我的住处被迁去离开我,好像牧人的帐棚一样;我将性命捲起,像织布的捲布一样。耶和华必将我从机头剪断,从早到晚,他要使我完结。
Nampionona ny foko aho mandra-pahamarain'ny andro; Tahaka ny fanapatapaky ny liona no anapatapahany ny taolako rehetra; Indray andro monja no anaperanao ny aiko.
我使自己安静直到天亮;他像狮子折断我一切的骨头,从早到晚,他要使我完结。
Ka dia mikoraraika tahaka ny sidintsidina sy ny vano aho. Ary mitolokoloko tahaka ny voromailala. Pahina ny masoko noho ny faniriako ho any amin'ny avo; Jehovah ô, ory loatra aho, aoka hiantoka ahy Hianao.
我像燕子呢喃,像白鹤鸣叫,又像鸽子哀鸣;我因仰观,眼睛困倦。耶和华啊,我受欺压,求你为我作保。
Ahoana no holazaiko? Sady nilaza tamiko Izy no nahatanteraka koa; Handeha mijoretra aho amin'ny taonako sisa rehetra noho ny fangidian'ny aiko.
我可说什么呢?他应许我的,也给我成就了。我因心里的苦楚,在一生的年日必悄悄而行。
Tompo ô, izany no iveloman'ny olona, ary amin'izany tokoa no iainan'ny fanahiko, ka dia mahasitrana sy mahavelona ahy Hianao.
主啊,人得存活乃在乎此。我灵存活也全在此。所以求你使我痊癒,仍然存活。
Indro, tonga fiadanana ilay fahoriana mangidy dia mangidy nanjo ahy, ary ny fitiavanao no namonjenao ny fanahiko tsy hankany amin'ny lavaka fahalevonana; Fa narianao teo ivohonao ny fahotako rehetra.
看哪,我受大苦,本为使我得平安;你因爱我的灵魂(或译:生命)便救我脱离败坏的坑,因为你将我一切的罪扔在你的背后。
Fa ny fiainan-tsi-hita tsy mba mahasaotra Anao, ny fahafatesana tsy mahadera Anao; Fa izay midina any an-davaka dia tsy mahazo manantena ny fahamarinanao.
原来,阴间不能称谢你,死亡不能颂扬你;下坑的人不能盼望你的诚实。
Ny velona dia ny velona ihany no hidera Anao, tahaka izao izaho anio izao; Ny ray hampahalala ny zanany ny fahamarinanao.
只有活人,活人必称谢你,像我今日称谢你一样。为父的,必使儿女知道你的诚实。
Jehovah efa vonona hamonjy Ahy, Ka dia hitendry ny lokangako ao an-tranon'i Jehovah izahay Amin'ny andro rehetra iainanay.
耶和华肯救我,所以,我们要一生一世在耶和华殿中用丝弦的乐器唱我的诗歌。
Ary hoy Isaia: Makà ampempan'aviavy, ary apetaho amin'ny vay izany, mba ho sitrana izy.
以赛亚说:「当取一块无花果饼来,贴在疮上,王必痊癒。」
Ary hoy Hezekia: Inona no famantarana fa hiakatra ao an-tranon'i Jehovah aho?
希西家问说:「我能上耶和华的殿,有什么兆头呢?」