Daniel 9

Tamin'ny taona voalohany nanjakan'i Dariosa, zanak'i Ahasoerosy, avy amin'ny taranaky ny Mediana, izay nampanjakaina tamin'ny fanjakan'ny Kaldeana,
玛代族亚哈随鲁的儿子大利乌立为迦勒底国的王元年,
tamin'ny taona voalodany nanjakany, izaho Daniela nahalala tamin'ny boky ny isan'ny taona nampahafantarin'ny tenin'i Jehovah an'i Jeremia mpaminany, izay hahataperan'ny fito-polo taona amin'ny hahafoanan'i Jerosalema.
就是他在位第一年,我但以理从书上得知耶和华的话临到先知耶利米,论耶路撒冷荒凉的年数,七十年为满。
Ary nampanatrehiko an'Andriamanitra Tompo ny tavako hitady izay hivavahana sy hifonana amin'ny fifadian-kanina ny lamba fisaonana ary ny lavenona.
我便禁食,披麻蒙灰,定意向主 神祈祷恳求。
Ary nivavaka tamin'i Jehovah Andriamanitro aho ka nitsotra hoe: Indrisy! Tompo ô, Andriamanitra lehibe sy mahatahotra, mitandrina ny fanekena sy ny famindram-po ho amin'izay tia Azy sy mitandrina ny didiny,
我向耶和华─我的 神祈祷、认罪,说:「主啊,大而可畏的 神,向爱主、守主诫命的人守约施慈爱。
efa nanota izahay sady nanao meloka ary nanao ratsy sy niodina, eny, efa niala tamin'ny didinao sy ny fitsipikao izahay,
我们犯罪作孽,行恶叛逆,偏离你的诫命典章,
ary tsy nohenoinay ny mpaminany mpanomponao, izay niteny tamin'ny anaranao tamin'ny mpanjakanay sy ny mpanapaka anay sy ny razanay ary ny vahoaka rehetra.
没有听从你仆人众先知奉你名向我们君王、首领、列祖,和国中一切百姓所说的话。
Anao ny fahamarinana, Tompo ô, fa anay kosa ny fangaihaizana, tahaka ny amin'izao anio izao, dia an'ny Joda sy ny mponina any Jerosalema ary ny Isiraely rehetra, na ny akaiky na ny lavitra, dia any amin'ny tany rehetra izay efa nandroahanao azy noho ny fahadisoany izay nandisoany taminao;
主啊,你是公义的,我们是脸上蒙羞的;因我们犹大人和耶路撒冷的居民,并以色列众人,或在近处,或在远处,被你赶到各国的人,都得罪了你,正如今日一样。
eny, anay ny fangaihaizana, Tompo ô, dia an'ny mpanjakanay sy ny mpanapaka anay ary ny razanay, satria efa nanota taminao izahay.
主啊,我们和我们的君王、首领、列祖因得罪了你,就都脸上蒙羞。
An'ny Tompo Andriamanitray kosa ny famindram-po sy ny famelan-keloka, satria efa niodina taminy izahay
主─我们的 神是怜悯饶恕人的,我们却违背了他,
ka tsy nihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitray, mba handeha araka ny lalàny izay nasainy napetraky ny mpaminany mpanompony teo anoloanay.
也没有听从耶和华─我们 神的话,没有遵行他借仆人众先知向我们所陈明的律法。
Eny, ny Isiraely rehetra efa nandika ny lalànao ka niala, fa tsy nihaino ny feonao, ka dia naidina taminay ny ozona sy ny fianianana izay voasoratra ao amin'ny lalàn'i Mosesy, mpanompon'Andriamanitra, satria efa nanota taminy izahay.
以色列众人都犯了你的律法,偏行,不听从你的话;因此,在你仆人摩西律法上所写的咒诅和誓言都倾在我们身上,因我们得罪了 神。
Ary notanterahiny ny teniny, izay nolazainy hamelezana anay sy ny mpitsaranay izay nitsara anay, ka nataony niharan-doza lehibe izahay, fa tetỳ ambanin'ny lanitra rehetra dia tsy mbola nisy natao tahaka izay natao tany Jerosalema.
他使大灾祸临到我们,成就了警戒我们和审判我们官长的话;原来在普天之下未曾行过像在耶路撒冷所行的。
Araka ny voasoratra ao amin'ny lalàn'i Mosesy no nahatongavan'izao loza rehetra izao taminay; nefa tsy nifona teo anatrehan'i Jehovah Andriamanitray izahay hialanay amin'ny helokay sy hahafantaranay ny fahamarinanao.
这一切灾祸临到我们身上是照摩西律法上所写的,我们却没有求耶和华─我们 神的恩典,使我们回头离开罪孽,明白你的真理。
Koa izany no nitehirizan'i Jehovah ny loza, ka nataony mihatra aminay, fa marina Jehovah Andriamanitray amin'ny asany rehetra izay efa nataony; fa izahay no tsy nihaino ny feony.
所以耶和华留意使这灾祸临到我们身上,因为耶和华─我们的 神在他所行的事上都是公义;我们并没有听从他的话。
Koa ankehitriny, Tompo Andriamanitray ô, Izay nitondra ny olonao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta tamin'ny tanana mahery ka nanao anarana ho Anao tahaka ny amin'izao anio izao, efa nanota izahay, efa nanao ratsy izahay.
主─我们的 神啊,你曾用大能的手领你的子民出埃及地,使自己得了名,正如今日一样。我们犯了罪,作了恶。
Tompo ô, mifona aminao aho, araka ny fahamarinanao rehetra, aoka re hionona ny fahatezeranao sy ny fahaviniranao amin'i Jerosalema tanànanao, tendrombohitrao masina, fa ny helokay sy ny fahotan'ny razanay no nahatonga an'i Jerosalema sy ny olonao ho latsa amin'izay rehetra manodidina anay.
主啊,求你按你的大仁大义,使你的怒气和忿怒转离你的城耶路撒冷,就是你的圣山。耶路撒冷和你的子民,因我们的罪恶和我们列祖的罪孽被四围的人羞辱。
Fa ankehitriny, ry Andriamanitray ô, henoy ny fivavaky ny mpanomponao sy ny fifonany, ary ampamirapirato ny tavanao amin'ny fitoeranao masina izay efa foana, satria Tompo Hianao.
我们的 神啊,现在求你垂听仆人的祈祷恳求,为自己使脸光照你荒凉的圣所。
Andriamanitra ô, atongilano ny sofinao, ka mihainoa; ahirato ny masonao, ka jereo ny fahafoananay sy ny tanàna izay nantsoina amin'ny anaranao; fa tsy amin'ny fahamarinanay no andoaranay ny fifonanay eto anatrehanao, fa amin'ny halehiben'ny indrafonao.
我的 神啊,求你侧耳而听,睁眼而看,眷顾我们荒凉之地和称为你名下的城。我们在你面前恳求,原不是因自己的义,乃因你的大怜悯。
Tompo ô, mandrenesa, Tompo ô, mamelà heloka; Tompo ô, mihainoa, ka miasà; aza ela Hianao, ry Andriamanitro ô noho ny aminao; fa ny tanànanao sy ny olonao dia nantsoina amin'ny anaranao.
求主垂听,求主赦免,求主应允而行,为你自己不要迟延。我的 神啊,因这城和这民都是称为你名下的。」
Ary raha mbola niteny sy nivavaka sy niaiky ny fahotako mbamin'ny fahotan'ny Isiraely fireneko aho ka nandoatra ny fifonako teo anatrehan'i Jehovah Andriamanitro ho an'ny tendrombohitra masin'Andriamanitro,
我说话,祷告,承认我的罪和本国之民以色列的罪,为我 神的圣山,在耶和华─我 神面前恳求。
eny, raha mbola niteny nivavaka aho, dia, indro, ilay lehilahy Gabriela izay hitako tamin'ny fahitana voalohany, dia nampanidinina faingana ka nanatona ahy tokony ho tamin'ny fotoan'ny fanatitra hariva.
我正祷告的时候,先前在异象中所见的那位加百列,奉命迅速飞来,约在献晚祭的时候,按手在我身上。
Ary izy nampahalala ahy sy niresaka tamiko ka nanao hoe: Ry Daniela ô, avy hampahazava saina anao aho.
他指教我说:「但以理啊,现在我出来要使你有智慧,有聪明。
Tamin'ny niantombohan'ny fivavakao dia nisy teny nivoaka, ka dia tonga hanambara aminao aho, satria malala indrindra ianao; koa diniho ny teny, ary aoka ho fantatrao ny fahitana.
你初恳求的时候,就发出命令,我来告诉你,因你大蒙眷爱;所以你要思想明白这以下的事和异象。
Fito-polo herinandro no voatendry ho an'ny firenenao sy ny tanànanao masina, hahatapaka ny fahadisoana sy hanampina ny fahotana, ary hanao fanavotana noho ny heloka sy hampiditra fahamarinana mandrakizay, ary hanisy tombo-kase ny fahitana sy ny faminaniana sy hanosotra izay masina indrindra.
为你本国之民和你圣城,已经定了七十个七。要止住罪过,除净罪恶,赎尽罪孽,引进(或译:彰显)永义,封住异象和预言,并膏至圣者(者:或译所)。
Koa aoka ho fantatrao sy ho azonao fa hatramin'ny hivoahan'ny didy hanavaozana sy hanamboarana an'i Jerosalema ka hatramin'i Mesia Andriana dia ho fito herinandro sy roa amby enim-polo herinandro; hamboarina indray ny lalana sy ny hady, dia amin'izay andro mampahory.
你当知道,当明白,从出令重新建造耶路撒冷,直到有受膏君的时候,必有七个七和六十二个七。正在艰难的时候,耶路撒冷城连街带濠都必重新建造。
Ary rehefa afaka ny roa amby enim-polo herinandro, dia hovonoina ny Mesia ka tsy hanana; ary ny vahoaky ny mpanjaka izay ho avy dia handrava ny tanana sy ny fitoerana masina; ary ny farany dia hisy safotra, ary hatramin'ny farany dia hisy ady sy fandravana voatendry.
过了六十二个七,那(或译:有)受膏者必被剪除,一无所有;必有一王的民来毁灭这城和圣所,至终必如洪水冲没。必有争战,一直到底,荒凉的事已经定了。
Ary hanorina fanekena ho herinandro amin'ny maro izy ary hampitsahatra ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hafa hatramin'ny antsasaky ny herinandro, ary amin'ny elatry ny fahavetavetana no nihavian'ny mpandrava, hatramin'ny fahafonganana voatendry, izay haidina amin'ny mpandrava.
一七之内,他必与许多人坚定盟约;一七之半,他必使祭祀与供献止息。那行毁坏可憎的(或译:使地荒凉的)如飞而来,并且有忿怒倾在那行毁坏的身上(或译:倾在那荒凉之地),直到所定的结局。」