Micah 2

祸哉,那些在床上图谋罪孽、造作奸恶的!天一发亮,因手有能力就行出来了。
Lozan'izay mamoron-keloka sy misaintsain-dratsy ao am-pandriany! Ary nony maraina ny andro, dia manatanteraka izany izy, Satria manan-kery ny tànany.
他们贪图田地就占据,贪图房屋便夺取;他们欺压人,霸占房屋和产业。
Ary mitsiriritra saha izy ka maka izany an-keriny, Sy trano koa ka mahalasa azy; Ary mampahory olona mbamin'ny ankohonany izy, Dia ny olona mbamin'ny lovany.
所以耶和华如此说:我筹划灾祸降与这族;这祸在你们的颈项上不能解脱;你们也不能昂首而行,因为这时势是恶的。
Koa izao no lazain'i Jehovah: Indro, mamorona loza hamelezana ity firenena ity Aho, Izay tsy hahazoanareo hanafaka ny vozonareo, Ka tsy handeha miandranandrana ianareo, Satria andro mampahory izany.
到那日,必有人向你们提起悲惨的哀歌,讥刺说:我们全然败落了!耶和华将我们的分转归别人,何竟使这分离开我们?他将我们的田地分给悖逆的人。
Amin'izany andro izany no hanaovana oha-teny handatsana anareo, Ka hitomaniana sy hidradradradrana hoe: Efa levona izao! Eny, hiteny izy hoe: Fongana tokoa isika; Ataony fanakalo zavatra ny anjaran'ny oloko; Endrey! afindrany hiala amiko izany! Samy zarainy ho an'ny mpiodina avy ny tanintsika!
所以在耶和华的会中,你必没有人拈阄拉准绳。
Koa tsy hisy aminao hanenjana famolaina akory hanaovana filokana Ao amin'ny fiangonan'i Jehovah.
他们(或译:假先知)说:你们不可说预言;不可向这些人说预言,不住地羞辱我们。
Aza miteniteny ianareo, hoy ny fiteniteniny; Aoka tsy hiteniteny ny amin'ireto izy, Tsy hita lany ny fanalam-baraka ataony!
雅各家啊,岂可说耶和华的心不忍耐吗(或译:心肠狭窄吗)?这些事是他所行的吗?我─耶和华的言语岂不是与行动正直的人有益吗?
He! izany teny izany! Ry taranak'i Jakoba, Malaky tezitra va ny Fanahin'i Jehovah? Ireto va no asa fanaony? Tsy mahasoa izay mandeha mahitsy va ny teniko?
然而,近来我的民兴起如仇敌,从那些安然经过不愿打仗之人身上剥去外衣。
Vao omaly no omaly no nitsanganan'ny oloko ho fahavalo; Hendahanareo hiala eo amin'ny lamba ny kapôtin'izay mandeha tsy manana ahiahy, Dia izay tsy tia ady.
你们将我民中的妇人从安乐家中赶出,又将我的荣耀从她们的小孩子尽行夺去。
Ny vehivavy eo amin'ny oloko dia roahinareo hiala amin'ny tranony mahafinaritra; Esorinareo hiala mandrakizay amin'ny zanany madinika ny voninahitro.
你们起来去吧!这不是你们安息之所;因为污秽使人(或译:地)毁灭,而且大大毁灭。
Mitsangàna, ka mialà (Fa tsy eto no fitsaharana), Satria misy fahalotoana mahatonga fandringanana eto, eny, fandringanana mafy.
若有人心存虚假,用谎言说:我要向你们预言得清酒和浓酒。那人就必作这民的先知。
Raha misy manaraka ny rivotra sy ny lainga ka mandainga hoe: Hitori-teny aminao ny amin'ny divay sy ny zava-mahamamo aho, Dia izy no ho mpitori-tenin'ity firenena ity.
雅各家啊,我必要聚集你们,必要招聚以色列剩下的人,安置在一处,如波斯拉的羊,又如草场上的羊群;因为人数众多就必大大喧哗。
Hamory anareo rehetra tokoa Aho, ry Jakoba, Ary hanangona ny sisa amin'ny Isiraely tokoa, Hakambako toy ny ondry any amin'ny vala izy, Toy ny ondry andiany ao amin'ny tany fiandrasana; Hitabataba izy noho ny hamaroan'ny olona.
开路的(或译:破城的)在他们前面上去;他们直闯过城门,从城门出去。他们的王在前面行;耶和华引导他们。
Ny mpanabanga miakatra eo alohany, Manabanga izy ka mandroso ho eo amin'ny vavahady, Dia mivoaka eo aminy; Ny mpanjakany mandroso eo alohany, Ary Jehovah no mitarika azy.