Malachi 2

「众祭司啊,这诫命是传给你们的。
Ary ankehitriny, ry mpisorona, dia ho aminareo izao didy izao:
万军之耶和华说:你们若不听从,也不放在心上,将荣耀归与我的名,我就使咒诅临到你们,使你们的福分变为咒诅;因你们不把诫命放在心上,我已经咒诅你们了。
Raha tsy hihaino na handatsaka am-po ka hanome voninahitra ny anarako ianareo, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, dia halefako hamely anareo ny ozona, ka hozoniko ny tso-drano ataonareo; eny, efa voaozoko sahady izany, satria tsy nandatsaka am-po ianareo.
我必斥责你们的种子,又把你们牺牲的粪抹在你们的脸上;你们要与粪一同除掉。
Indro, hasiako teny mafy ny voa afafinareo, ary hofafazako tain-droroha ny tavanareo, dia ny tain-droroha avy amin'ny andro firavoravoanareo; ary hailika miaraka aminy ianareo.
你们就知道我传这诫命给你们,使我与利未(或译:利未人)所立的约可以常存。这是万军之耶和华说的。
Dia ho fantatrareo fa nampitondra izany didy izany ho aminareo Aho, mba haharetan'ny fanekeko amin'i Levy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
我曾与他立生命和平安的约。我将这两样赐给他,使他存敬畏的心,他就敬畏我,惧怕我的名。
Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana; ary nomeko azy ho fahatahorana izany, ka dia natahotra Ahy sy nangovitra teo anatrehan'ny anarako izy.
真实的律法在他口中,他嘴里没有不义的话。他以平安和正直与我同行,使多人回头离开罪孽。
Ny lalàn'ny fahamarinana no teo am-bavany, ary tsy mba nisy tsi-fahamarinana teo amin'ny molony; tamin'ny fiadanana sy ny fahitsiana no niarahany nandeha tamiko, ary maro no nampialainy tamin'ny heloka.
祭司的嘴里当存知识,人也当由他口中寻求律法,因为他是万军之耶和华的使者。
Fa ny molotry ny mpisorona tokony hitahiry fahalalana, ary ny lalàna hotadiavina eo am-bavany, satria irak'i Jehovah, Tompon'ny maro, izy.
你们却偏离正道,使许多人在律法上跌倒。你们废弃我与利未所立的约。这是万军之耶和华说的。
Fa ianareo kosa dia efa nivily lalana sady nampahatafintohina olona maro ny amin'ny lalàna ary namadika ny fanekena amin'i Levy, hoy Jehovah; Tompon'ny maro.
所以我使你们被众人藐视,看为下贱;因你们不守我的道,竟在律法上瞻徇情面。
Ary Izaho kosa dia efa nanolotra anareo ho fanazimbazimba sy ho fanao tsinontsinona eo anatrehan'ny vahoaka rehetra, noho ny tsy nitandremanareo ny lalako sy ny nizahanareo tavan'olona ny amin'ny lalàna.
我们岂不都是一位父么?岂不是一位 神所造的么?我们各人怎么以诡诈待弟兄,背弃了 神与我们列祖所立的约呢?
Tsy mpiombon-dray va isika rehetra? Tsy Andriamanitra iray ihany va no nahary antsika ? Koa nahoana no samy mivadika amin'ny rahalahintsika avy isika ka mamadika ny fanekena tamin'ny razantsika?
犹大人行事诡诈,并且在以色列和耶路撒冷中行一件可憎的事;因为犹大人亵渎耶和华所喜爱的圣洁(或译:圣地),娶事奉外邦神的女子为妻。
Ny Joda efa namitaka, ary misy fahavetavetana atao ao amin'ny Isiraely sy ao Jerosalema; fa ny Joda efa nandoto ny fitoera-masin'i Jehovah, izay tiany, sady efa nanambady ny zanaka-vavin'ny andriamani-kafa.
凡行这事的,无论何人(何人:原文是叫醒的,答应的),就是献供物给万军之耶和华,耶和华也必从雅各的帐棚中剪除他。
Enga anie ka hofongoran'i Jehovah hiala amin'ny lain'i Jakoba ny lehilahy izay manao izany, na iza na iza, sy izay manatitra fanatitra ho an'i Jehovah, Tompon'ny maro.
你们又行了一件这样的事,使前妻叹息哭泣的眼泪遮盖耶和华的坛,以致耶和华不再看顾那供物,也不乐意从你们手中收纳。
Ary faharoan'izany, dia izao koa no ataonareo: Saronanareo ranomaso sy fitomaniana ary fisentoana ny alitaran'i Jehovah, ka tsy mba jereny intsony ny fanatitra, ary tsy handray fankasitrahana avy amin'ny tananareo Izy.
你们还说:「这是为什么呢?」因耶和华在你和你幼年所娶的妻中间作见证。她虽是你的配偶,又是你盟约的妻,你却以诡诈待她。
Nefa hoy ianareo: Nahoana? Satria Jehovah no vavolombelona ny aminao sy ny vadin'ny fahatanoranao izay nofitahinao, na dia namanao sady vady efa vita fanekena taminao aza izy.
虽然 神有灵的余力能造多人,他不是单造一人吗?为何只造一人呢?乃是他愿人得虔诚的后裔。所以当谨守你们的心,谁也不可以诡诈待幼年所娶的妻。
Moa tsy nisy anankiray nanao izany va, nefa mbola nanam-panahy ihany ? Fa inona andrefa no notadiavin'ilay anankiray? Taranaka araka an'Andriamanitra. Koa dia tandremo ny fanahinareo, ary aoka tsy hisy hamitaka ny vadin'ny fahatanorany.
耶和华─以色列的 神说:「休妻的事和以强暴待妻的人都是我所恨恶的!所以当谨守你们的心,不可行诡诈。」这是万军之耶和华说的。
Fa halako ny fisaoram-bady, hoy Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, sy ny fanosenana fampahoriana amin'ny fitafiany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro; koa tandremo ny fanahinareo, ary aza mamitaka ianareo.
你们用言语烦琐耶和华,你们还说:「我们在何事上烦琐他呢?」因为你们说:「凡行恶的,耶和华眼看为善,并且他喜悦他们」;或说:「公义的 神在哪里呢?」
Efa manasatra an'i Jehovah amin'ny teninareo ianareo. Nefa hoy ianareo: Amin'inona moa no anasaranay Azy ? Amin'ny fanaovanareo hoe: Izay rehetra manao ratsy dia tsara eo imason'i Jehovah ka ankasitrahany, na amin'ny hoe: Aiza Andriamanitry ny fitsarana ?