Malachi 3

万军之耶和华说:「我要差遣我的使者在我前面预备道路。你们所寻求的主必忽然进入他的殿;立约的使者,就是你们所仰慕的,快要来到。」
Indro, haniraka ny irako Aho, ary izy hanamboatra lalana eo alohako; ary ny Tompo Izay tadiavinareo dia ho avy tampoka ho eo an-tempoliny; ary ny Anjelin'ny fanekena Izay irinareo, dia, indro, tamy Izy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
他来的日子,谁能当得起呢?他显现的时候,谁能立得住呢?因为他如炼金之人的火,如漂布之人的碱。
Nefa iza no mahatanty ny andro hihaviany? Ary iza no mahajanona, raha miseho Izy? Fa Izy dia tahaka ny afon'ny mpandrendrika sy ny savonin'ny mpanasa lamba.
他必坐下如炼净银子的,必洁净利未人,熬炼他们像金银一样;他们就凭公义献供物给耶和华。
Ary hipetraka handrendrika sy hanadio volafotsy Izy; eny, hanadio ny taranak'i Levy Izy sy handrendrika azy toy ny fandrendrika volamena sy volafotsy, ka dia ho an'i Jehovah ireny ho mpanatitra fanatitra amim-pahamarinana.
那时,犹大和耶路撒冷所献的供物必蒙耶和华悦纳,彷彿古时之日、上古之年。
Dia ho mamin'i Jehovah ny fanatitry ny Joda sy Jerosalema toy ny tamin'ny andro fahiny sy toy ny tamin'ny taona taloha.
万军之耶和华说:「我必临近你们,施行审判。我必速速作见证,警戒行邪术的、犯奸淫的、起假誓的、亏负人之工价的、欺压寡妇孤儿的、屈枉寄居的,和不敬畏我的。」
Ary hanatona anareo ho fitsarana Aho ka ho vavolombelona faingana hanameloka ny mpanana ody sy ny mpijangajanga sy ny mpianian-tsy tò sy ny mpampahory ny mpikarama amin'ny karamany mbamin'ny mpitondratena sy ny kamboty ary izay mampahory ny vahiny; fa tsy matahotra Ahy izy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
「因我─耶和华是不改变的,所以你们雅各之子没有灭亡。
Fa Izaho Jehovah dia tsy miova, ary ianareo, ry taranak'i Jakoba, dia tsy fongana.
万军之耶和华说:从你们列祖的日子以来,你们常常偏离我的典章而不遵守。现在你们要转向我,我就转向你们。你们却问说:『我们如何才是转向呢?』
Hatramin'ny andron'ny razanareo dia efa niala tamin'ny didiko ianareo ka tsy nitandrina azy. Miverena amiko, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. Nefa hoy ianareo: Ahoana ary no ho fiverinay?
人岂可夺取 神之物呢?你们竟夺取我的供物。你们却说:『我们在何事上夺取你的供物呢?』就是你们在当纳的十分之一和当献的供物上。
Handroba an'Andriamanitra va ny olona, no mandroba Ahy ianareo ? Nefa hoy ianareo: Amin'inona moa no androbanay Anao ? Amin'ny fahafolon-karena sy ny fanatitra.
因你们通国的人都夺取我的供物,咒诅就临到你们身上。
Voaozona amin'ny ozona ianareo nefa Izaho no robainareo, dia izao ianareo rehetra iray firenena izao.
万军之耶和华说:你们要将当纳的十分之一全然送入仓库,使我家有粮,以此试试我,是否为你们敞开天上的窗户,倾福与你们,甚至无处可容。
Entonareo ny fahafolon-karena rehetra ho ao amin'ny trano firaketako, mba hasian-kanina ao an-tranoko, ary izahao toetra amin'izany Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, raha tsy hovohako ny varavaran'ny lanitra ho anareo ka hampidinako fitahiana manana amby ampy ho anareo.
万军之耶和华说:我必为你们斥责蝗虫(原文是吞噬者),不容牠毁坏你们的土产。你们田间的葡萄树在未熟之先也不掉果子。
Ary hasiako teny mafy ny valala noho ny aminareo, ka tsy hanimba ny vokatry ny tany intsony ireny, ka dia hahavanom-boa ny voalobokareo any an-tsaha, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
万军之耶和华说:万国必称你们为有福的,因你们的地必成为喜乐之地。」
Ary ianareo hataon'ny firenena rehetra hoe sambatra; fa ho tany mahafinaritra ianareo, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
耶和华说:「你们用话顶撞我,你们还说:『我们用什么话顶撞了你呢?』
Ny teninareo dia mahery mamely Ahy hoy Jehovah. Nefa hoy ianareo: Inona no resakay nentinay namely Anao?
你们说:『事奉 神是徒然的,遵守 神所吩咐的,在万军之耶和华面前苦苦斋戒,有什么益处呢?
Tamin'ny nanaovanareo hoe: zava-poana ny manompo an'Andriamanitra; ary inona moa no soa efa azo tamin'ny fitandremantsika izay nasainy notandremana sy tamin'ny nandehanantsika nitafy lamba fisaonana teo anatrehan'i Jehovah, Tompon'ny maro.
如今我们称狂傲的人为有福,并且行恶的人得建立;他们虽然试探 神,却得脱离灾难。』」
Ary ankehitriny isika dia midera ny mpirehareha hoe sambatra; eny, voaorina tsara izay nanao ratsy, sady efa naka fanahy an'Andriamanitra izy, nefa afa-nandositra ihany.
那时,敬畏耶和华的彼此谈论,耶和华侧耳而听,且有纪念册在他面前,记录那敬畏耶和华、思念他名的人。
Ary tamin'izany izay natahotra an'i Jehovah dia samy niresaka tamin'ny namany avy; ary Jehovah nihaino ka nandre izany; ary nisy boky nosoratana teo anatrehany ho fahatsiarovana izay matahotra an'i Jehovah sy mihevitra ny anarany.
万军之耶和华说:「在我所定的日子,他们必属我,特特归我。我必怜恤他们,如同人怜恤服事自己的儿子。
Ary ho rakitra soa ho Ahy ireny amin'ny andro izay hotendreko, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, ary ho antra azy Aho toy ny olona antra ny zananilahy izay manompo azy.
那时你们必归回,将善人和恶人,事奉 神的和不事奉 神的,分别出来。」
Ka dia ho hitanareo indray ny tsi-fitovian'ny marina sy ny meloka, dia ny manompo an'Andriamanitra sy ny tsy manompo Azy. Fa, indro, avy ny andro, mandoro toy na fatana fandoroana izy; ary ny mpirehareha rehetra sy ny mpanao ratsy rehetra dia ho vodivary; ka dia handoro azy ny andro izay ho avy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, ka tsy hasiany miangana, na ny fakany na ny sampany. Ary hiposaka aminareo, izay matahotra ny anarako, ny Masoandron'ny fahamarinana, manana fanasitranana ao amin'ny tanany; ary hivoaka ianareo ka hifalihavanja toy ny zanak'omby mifahy; ary hohitsahinareo ny ratsy fanahy; fa ho lavenona eo ambanin'ny faladianareo izay amin'ny andro izay hotendreko, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. Tsarovinareo ny lelan'i Mosesy mpanompoko, izay nandidiako azy tao Horeba ny amin'ny Isiraely rehetra, dia ny didy sy ny fitsipika. Indro, Izaho haniraka an'i Elia mpaminany ho aminareo, dieny tsy mbola tonga ny andron'i Jehovah, ilay lehibe sady mahatahotra; ary izay hampody ny fon'ny ray ho amin'ny zanaka, ary ny fon'ny zanaka ho amin'ny rainy, fandrao ho avy Aho hamely ny tany amin'ny fandringanana.