Ezekiel 45

你们拈阄分地为业,要献上一分给耶和华为圣供地,长二万五千肘,宽一万肘。这分以内,四围都为圣地。
Ary rehefa zarainareo araka ny filokana ny tany mba ho lova, dia hisy hatokanareo ho fanatitra ho an'i Jehovah, dia anjara masina amin'ny tany; ny lavany dia indimy arivo sy roa alin'ny volotara, ary ny sakany iray alina. Ho masina any amin'ny fari-taniny rehetra manodidina izany.
其中有作为圣所之地,长五百肘,宽五百肘,四面见方。四围再有五十肘为郊野之地。
Ary io dia hanalana efa-joro sotera ho tany masina, dimam-jato ny lavany, ary dimanjato koa ny sakany; ary ho dimam-polo hakiho ny tany manodidina azy.
要以肘为度量地,长二万五千肘,宽一万肘。其中有圣所,是至圣的。
Eny, araka izany fandrefesana izany no handrefesanao dimy arivo amby roa alina ny lavany, ary iray alina ny sakany; ary ho ao amin'io ny fitoerana masina, dia ny masina indrindra.
这是全地的一分圣地,要归与供圣所职事的祭司,就是亲近事奉耶和华的,作为他们房屋之地与圣所之圣地。
Ho anjara masina amin'ny tany izany ka ho an'ny mpisorona, mpanao fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina, dia izay manatona hanao fanompoam-pivavahana ho an'i Jehovah, ary ho fitoeran'ny tranony sy ho tany masina hasiana ny fitoerana masina.
又有一分,长二万五千肘,宽一万肘,要归与在殿中供职的利未人,作为二十间房屋之业。
Ary tany dimy arivo amby roa alina ny lavany, ary iray alina ny sakany, no ho an'ny Levita, mpanao fanompoam-pivavahana ao amin'ny trano; ho zara-tany ho azy izany efi-trano roa-polo.
也要分定属城的地业,宽五千肘,长二万五千肘,挨著那分圣供地,要归以色列全家。
Ary homenareo koa ny zara-tany ho an'ny tanàna, dimy arivo ny sakany, ary dimy arivo amby roa alina ny lavany, mifanolotra amin'ny anjara masina voatokana; ho an'ny taranak'Isiraely rehetra izany.
归王之地要在圣供地和属城之地的两旁,就是圣供地和属城之地的旁边,西至西头,东至东头,从西到东,其长与每支派的分一样。
Ary ny mpanjaka dia homenareo tany eo andaniny roa amin'ny anjara masina voatokana sy amin'ny tany ho an'ny tanàna, dia ny mifanolotra amin'ny anjara masina voatokana sy ny mifanolotra amin'ny tany ho an'ny tanàna, hatreo amin'ny andrefana mikipaka miankandrefana, ary hatreo amin'ny atsinanana mikipaka miantsinanana; ary ny sakany, dia mifanolotra amin'ireo anjaran'ny firenena, na amin'ny andrefana na amin'ny atsinanana.
这地在以色列中必归王为业。我所立的王必不再欺压我的民,却要按支派将地分给以色列家。
Ho taniny izany, dia anjara ho azy ao amin'ny Isiraely, ary ireo mpanjaka voahosotro dia tsy hampahory ny oloko intsony, fa hahafoy ny tany ho an'ny taranak'Isiraely isam-pireneny.
主耶和华如此说:「以色列的王啊,你们应当知足,要除掉强暴和抢夺的事,施行公平和公义,不再勒索我的民。这是主耶和华说的。
Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Aoka izay, ry mpanjakan'ny Isiraely! Ajanony ny halozana sy ny fampahoriana, ary manaova fitsarana sy fahamarinana; atsaharo ny fandroahanareo ny oloko, hoy Jehovah Tompo.
你们要用公道天平、公道伊法、公道罢特。
Mizana marina sy efaha marina ary bata marina no aoka hotananareo.
伊法与罢特大小要一样。罢特可盛贺梅珥十分之一,伊法也可盛贺梅珥十分之一,都以贺梅珥的大小为准。
Hitovy fatra ny efaha sy ny bata, ary ny bata hahalany ny ampahafolon'ny homera, ary ny efaha koa dia ampahafolon'ny homera: ny homera no mariky ny fatrany.
舍客勒是二十季拉;二十舍客勒,二十五舍客勒,十五舍客勒,为你们的弥那。
Ny sekely dia roa-polo gera; sekely roa-polo sy dimy amby roa-polo ary dimy ambin'ny folo no ho manenareo.
「你们当献的供物乃是这样:一贺梅珥麦子要献伊法六分之一;一贺梅珥大麦要献伊法六分之一。
Izao no zavatra haloanareo: Ny ampahenin'ny efaha isaky ny homeran'ny vary tritika; ary haloanareo koa ny ampahenin'ny efaha isaky ny homeran'ny vary hordea;
你们献所分定的油,按油的罢特,一柯珥油要献罢特十分之一(原来十罢特就是一贺梅珥)。
ary ny didy ny amin'ny diloilo (ny diloilo iray bata) dia ampahafolon'ny bata isaky ny kora; fa ny homera dia misy bata folo, satria bata folo no homera iray.
从以色列滋润的草场上每二百羊中,要献一只羊羔。这都可作素祭、燔祭、平安祭,为民赎罪。这是主耶和华说的。
Ary ondry iray isan-droanjato amin'ny tanin'ny Isiraely izay azon-drano no haloanareo hatao fanatitra hohanina sy fanatitra dorana ary fanati-pihavanana, mba hanaovana fanavotana ho an'ny vahoaka, hoy Jehovah Tompo.
此地的民都要奉上这供物给以色列中的王。
Ny vahoaka rehetra no handoa izany ho an'ny mpanjakan'ny Isiraely.
王的本分是在节期、月朔、安息日,就是以色列家一切的节期,奉上燔祭、素祭、奠祭。他要预备赎罪祭、素祭、燔祭,和平安祭,为以色列家赎罪。」
Fa ny mpanjaka kosa no hiantoka ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina ary ny fanatitra aidina amin'ny andro firavoravoana sy ny voaloham-bolana ary ny Sabata, dia amin'ny fotoam-pivavahana rehetra tandreman'ny taranak'Isiraeb; eny, izy no hiantota ny fanatitra noho ny ota sy ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra dorana ary ny fanati-Pihavanana, mba hanaovana fanavotana ho an'ny taranak'Isiraeb.
主耶和华如此说:「正月初一日,你要取无残疾的公牛犊,洁净圣所。
Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Raha mby amin'ny andro voalohany amin'ny volana voalohany dia haka vantotr'ombilahy tsy misy kilema ianao ka hanadio ny fitoerana masina.
祭司要取些赎罪祭牲的血,抹在殿的门柱上和坛磴台的四角上,并内院的门框上。
Ary hangalan'ny mpisorona ny ran'ny fanatitra noho ny ota ka hatentiny amin'ny tolan'ny trano sy amin'ny zoro efatra amin'ny rindrin'ny alitara ary amin'ny tolan'ny vavahadin'ny kianja anatiny.
本月初七日(七十士译本是七月初一日)也要为误犯罪的和愚蒙犯罪的如此行,为殿赎罪。
Ary toy izany koa no hataonao amin'ny andro fahafito amin'ny volana ho an'ny olona manota tsy nahy, na noho izy kely saina, ka dia hanao fanavotana ho an'ny trano ianareo.
「正月十四日,你们要守逾越节,守节七日,要吃无酵饼。
Amin'ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ny volana voalohany no hanaovanareo ny Paska; andro firavoravoana hafitoana izany, ka mofo tsy misy masirasira no hohanina.
当日,王要为自己和国内的众民预备一只公牛作赎罪祭。
Ary amin'izany andro izany ny mpanjaka dia hanatitra vantotr'ombilahy iray hatao fanatitra noho ny ota ho an'ny tenany sy ny vahoaka rehetra.
这节的七日,每日他要为耶和华预备无残疾的公牛七只、公绵羊七只为燔祭。每日又要预备公山羊一只为赎罪祭。
Ary amin'ny andro firavoravoana hafitoana dia hanatitra fanatitra dorana isan'andro mandritra ny hafitoana ho an'i Jehovah izy, dia vantotr'ombilahy fito sy ondrilahy fito tsy misy kilema, ary osilahy iray isan'andro hataony fanatitra noho ny ota.
他也要预备素祭,就是为一只公牛同献一伊法细面,为一只公绵羊同献一伊法细面,每一伊法细面加油一欣。
Ary hanatitra ny fanatitra hohanina koa izy, dia iray efaha isam-bantotr'ombilahy sy iray efaha isan-ondrilahy, ary diloilo eran'ny hina isan-efaha.
七月十五日守节的时候,七日他都要如此行,照逾越节的赎罪祭、燔祭、素祭,和油的条例一样。」
Amin'ny andro fahadimy ambin'ny folo amin'ny volana fahafito, amin'ny andro firavoravoana, dia hanatitra tahaka izany koa hafitoana izy, na ny fanatitra noho ny ota, na ny fanatitra dorana, na ny fanatitra hohanina, na ny diloilo.