Ezekiel 46

主耶和华如此说:「内院朝东的门,在办理事务的六日内必须关闭;惟有安息日和月朔必须敞开。
Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ny vavahadin'ny kianja anatiny izay manatrika ny atsinanana dia harindrina mandritra ny henemana fanaovan-draharaha; fa amin'ny Sabata sy amin'ny andro voaloham-bolana kosa no hivoha izy.
王要从这门的廊进入,站在门框旁边。祭司要为他预备燔祭和平安祭,他就要在门槛那里敬拜,然后出去。这门直到晚上不可关闭。
Dia hiditra avy any ivelany amin'ny lalana mankamin'ny lavarangan'ny vavahady ny mpanjaka ka hijanona eo anilan'ny tolam-bavahady, ary ny fanatitra dorany sy ny fanati-pihavanany dia haterin'ny mpisorona, ary ny mpanjaka hiankohoka eo amin'ny tokonam-bavahady, dia hivoaka izy; ary tsy hirindrina ny vavahady, raha tsy efa hariva ny andro.
在安息日和月朔,国内的居民要在这门口,耶和华面前敬拜。
Ary ny vahoaka koa hiankohoka eo anatrehan'i Jehovah eo am-bavahady amin'ny Sabata sy amin'ny andro voaloham-bolana.
安息日,王所献与耶和华的燔祭要用无残疾的羊羔六只,无残疾的公绵羊一只;
Ary ny fanatitra dorana izay haterin'ny mpanjaka ho an'i Jehovah amin'ny andro Sabata dia zanak'ondry enina tsy misy kilema sy ondrilahy iray tsy misy kilema koa.
同献的素祭要为公绵羊献一伊法细面,为羊羔照他的力量而献,一伊法细面加油一欣。
Ary ny fanatitra hohanina fanampin'ilay ondrilahy iray dia iray efaha, ary ny fanatitra hohanina fanampin'ireo zanak'ondry dia araka izay tiany, ary ny diloilo iray hina isan'efaha.
当月朔,要献无残疾的公牛犊一只,羊羔六只,公绵羊一只,都要无残疾的。
ary amin'ny andro voaloham-bolana dia vantotr'ombilahy iray tsy misy kilema sy zanak'ondry enina ary ondrilahy iray; samy tsy hisy kilema ireo.
他也要预备素祭,为公牛献一伊法细面,为公绵羊献一伊法细面,为羊羔照他的力量而献,一伊法细面加油一欣。
Ary hanatitra fanatitra hohanina izy, dia iray efaha isam-bantotr'ombilahy sy iray efaha isan-ondrilahy koa; ary ny amin'ny zanak'ondry dia araka izay tiany, ary ny diloilo dia iray hina isan'efaha.
王进入的时候必由这门的廊而入,也必由此而出。
Ary raha miditra ny mpanjaka, dia amin'ny lalana mankamin'ny lavarangan'ny vavahady no hidirany ary amin'ny lalana nalehany ihany koa no hivoahany.
在各节期,国内居民朝见耶和华的时候,从北门进入敬拜的,必由南门而出;从南门进入的,必由北门而出。不可从所入的门而出,必要直往前行,由对门而出。
Fa raha ny vahoaka kosa no miditra ho eo anatrehan'i Jehovah amin'ny fotoam-pivavahana, dia izay miditra amin'ny vavahady avaratra hiankohoka dia hivoaka amin'ny vavahady atsimo kosa; ary izay miditra amin'ny vavahady atsimo dia hivoaka amin'ny vavahady avaratra kosa: tsy hiverina amin'ilay vavahady nidirany izy, fa amin'izay tandrifiny ihany no hivoahany
民进入,王也要在民中进入;民出去,王也要一同出去。
Ary ny mpanjaka dia hiara-miditra amin'ireo, ary raha mivoaka ireo, dia hiara-mivoaka aminy.
「在节期和圣会的日子同献的素祭,要为一只公牛献一伊法细面,为一只公绵羊献一伊法细面,为羊羔照他的力量而献,一伊法细面加油一欣。
Ary amin'ny andro firavoravoana sy ny fotoam-pivavahana dia iray efaha no ho fanatitra hohanina isam-bantotr'ombilahy iray, ary iray efaha isan-ondrilahy iray, ary ny amin'ny zanak'ondry, dia araka izay tiany, ary ny diloilo dia eran'ny hina isan-efaha.
王预备甘心献的燔祭或平安祭,就是向耶和华甘心献的,当有人为他开朝东的门。他就预备燔祭和平安祭,与安息日预备的一样,献毕就出去。他出去之后,当有人将门关闭。」
Ary raha ny mpanjaka no manatitra fanatitra dorana na fanati-pihavanana ho fanatitra sitrapo ho an'i Jehovah, dia hovohana ho azy ny vavahady manatrika ny atsinanana, dia hateriny ny fanatitra dorany sy ny fanati-pihavanany, tahaka izay àtaony amin'ny Sabata; ary rehefa tafavoaka izy, dia harindrina ny vavahady.
「每日,你要预备无残疾一岁的羊羔一只,献与耶和华为燔祭;要每早晨预备。
Ary zanak'ondry anankiray iray taona tsy misy kilema no haterinao isan'andro ho fanatitra dorana ho an'i Jehovah; isa-maraina no hanateranao azy.
每早晨也要预备同献的素祭,细面一伊法六分之一,并油一欣三分之一,调和细面。这素祭要常献与耶和华为永远的定例。
Ary hanatitra fanatitra hohanina ho fanampiny isa-maraina ianao, dia ampahenin'ny efaha sy diloilo ampahatelon'ny hina handemana ny koba tsara toto; fanatitra hohanina ho an'i Jehovah izany: lalàna tsy miova mandrakizay izany.
每早晨要这样预备羊羔、素祭,并油为常献的燔祭。」
Ary toy izany no anatero ny zanak'ondry sy ny fanatitra hohanina ary ny diloilo isa-maraina ho fanatitra mandrakariva.
主耶和华如此说:「王若将产业赐给他的儿子,就成了他儿子的产业,那是他们承受为业的。
Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Raha manome zavatra ho an'ny anankiray amin'ny zanany ny mpanjaka, dia ho lovan'ny zanany izany; eny, ho zara-lovany izany.
倘若王将一分产业赐给他的臣仆,就成了他臣仆的产业;到自由之年仍要归与王。至于王的产业,必归与他的儿子。
Fa raha manome zavatra avy amin'ny lovany ho an'ny anankiray amin'ny mpanompony kosa izy, dia ho azy mandra-pahatongan'ny taona fanafahana ihany izany; dia hiverina ho amin'ny mpanjaka indray izany ka ho lova ho an'ny zanany ihany.
王不可夺取民的产业,以致驱逐他们离开所承受的;他要从自己的地业中,将产业赐给他儿子,免得我的民分散,各人离开所承受的。」
Ary tsy haka amin'ny lovan'ny vahoaka hampiala azy amin'ny zara-taniny izy; fa homeny lova avy amin'ny fananany ihany ny zanany, mba tsy hielezan'ny oloko hiala amin'ny zara-taniny.
那带我的,将我从门旁进入之处、领进为祭司预备的圣屋,是朝北的,见后头西边有一块地。
Dia nentiny niditra tamin'ny fidirana eo anilan'ny vavahady aho ho ao amin'ireo efi-trano masin'ny mpisorona, izay manatrika ny avaratra; ary, indro, nisy fitoerana teo amin'ny faran'ny andrefana.
他对我说:「这是祭司煮赎愆祭、赎罪祭,烤素祭之地,免得带到外院,使民成圣。」
Dia hoy izy tamiko: Io no fitoerana fahandroan'ny mpisorona ny fanati-panonerana sy ny fanatitra noho ny ota sy hanendasany ny fanatitra hohanina, mba tsy hitondrany azy mivoaka lò any amin'ny kianja ivelany hanamasina ny olona.
他又带我到外院,使我经过院子的四拐角,见每拐角各有一个院子。
Dia nentiny nivoaka ho any amin'ny kianja ivelany aho ka nampiteteziny ny zorony efatra amin'ny kianja; ary, indro, ao amin'ny isan-joron'ny kianja dia nisy kianja hafa koa.
院子四拐角的院子,周围有墙,每院长四十肘,宽三十肘。四拐角院子的尺寸都是一样,
Teny amin'ny zorony efatra amin'ny kianja dia nisy kianja nofefena, efa-polo hazizo avy ny lavany, ary telo-polo avy ny sakany; mitovy ohatra ireo an-jorony efatra ireo.
其中周围有一排房子,房子内有煮肉的地方。
Ary nisy rafitra teo anatiny manodidina azy, dia manodidina ireo efatra ireo, izay nisy fahandroana ambanin'izany rafitra manodidina izany.
他对我说:「这都是煮肉的房子,殿内的仆役要在这里煮民的祭物。」
Dia hoy izy tamiko: Ireto no tranon'ny mpahandro, izay fahandroan'ny mpanao fanompoam-pivavahana eto an-trano ny fanatitra halatsa-drà aterin'ny olona.