I Thessalonians 1

保罗、西拉、提摩太写信给帖撒罗尼迦在父 神和主耶稣基督里的教会。愿恩惠、平安归与你们!
Paoly sy Silasy ary Timoty mamangy ny fiangonan'ny Tesaloniana, izay ao amin'Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo: ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana.
我们为你们众人常常感谢 神,祷告的时候提到你们,
Misaotra an'Andriamanitra mandrakariva izahay ny aminareo rehetra ka manonona anareo amin'ny fivavahanay,
在 神我们的父面前,不住的记念你们因信心所做的工夫,因爱心所受的劳苦,因盼望我们主耶稣基督所存的忍耐。
sady tsy mitsahatra mahatsiaro ny asanareo amin'ny finoana sy ny fikelezanareo aina amin'ny fitiavana ary ny faharetanareo amin'ny fanantenana an i Jesosy Kristy Tompontsika eo imason'Andriamanitra Raintsika;
被 神所爱的弟兄啊,我知道你们是蒙拣选的;
fa fantatray, ry rahalahy malalan'Andriamanitra, ny fifidianana anareo,
因为我们的福音传到你们那里,不独在乎言语,也在乎权能和圣灵,并充足的信心,正如你们知道、我们在你们那里,为你们的缘故是怎样为人。
fa ny filazantsaranay tsy tonga teo aminareo tamin'ny teny ihany, fa tamin'ny hery koa sy ny Fanahy Masina ary ny fahatokiana be, araka ny ahafantaranareo izay toetry ny fitondran-tenanay teo aminareo noho ny aminareo.
并且你们在大难之中,蒙了圣灵所赐的喜乐,领受真道就效法我们,也效法了主;
Ary ianareo efa nanahaka anay sy ny Tompo, satria nandray ny teny tamin'ny fahoriana be mbamin'ny hafaliana avy amin'ny Fanahy Masina,
甚至你们作了马其顿和亚该亚所有信主之人的榜样。
ka dia tonga fianarana ho an'ny mino rehetra any Makedonia sy Akaia ianareo.
因为主的道从你们那里已经传扬出来。你们向 神的信心不但在马其顿和亚该亚,就是在各处也都传开了;所以不用我们说什么话。
Fa avy taminareo no nanenoan'ny tenin'ny Tompo, tsy tany Makedonia sy Akaia ihany, fa teny tontolo eny no nielezan'ny lazan'ny finoanareo an'Andriamanitra, ka dia tsy misy holazainay intsony.
因为他们自己已经报明我们是怎样进到你们那里,你们是怎样离弃偶像,归向 神,要服事那又真又活的 神,
Fa ireny ihany no milaza ny aminay, dia izay fidirana azonay ho atỳ aminareo sy ny nialanareo tamin'ny sampy hiverenana amin'Andriamanitra mba hanompo an'Andriamanitra velona sy marina,
等候他儿子从天降临,就是他从死里复活的─那位救我们脱离将来忿怒的耶稣。
ary mba hiandry ny Zanany avy any an-danitra, Izay natsangany tamin'ny maty, dia Jesosy, izay Mpanafaka antsika amin'ny fahatezerana ho avy.