Ary ny Jiosy rehetra izay tao aminy, dia izay tao amin'i Gedalia tao Mizpa, sy ny Kaldeana izay hita tao ary ny miaramila dia novonoin'Isimaela avokoa.
dia nisy valo-polo lahy avy tany Sekema sy Silo ary Samaria, izay samy mihara-bolom-bava, sady voatriatra ny fitafiany, ary voatetika ny tenany, nitondra fanatitra sy ditin-kazo mani-pofona teny an-tànany ho entina ao an-tranon'i Jehovah.
Fa nisy folo lahy tamin'ireo nanao tamin'Isimaela hoe: Aza vonoina izahay; fa manan-tahiry any an-tsaha izahay, dia vary tritika sy vary hordea sy diloilo ary tantely. Ka dia nijanona izy, fa tsy namono ireo tahaka ny efa nataony tamin'ny namany.
Ary nentin'Isimaela ho babo ny olona rehetra izay sisa tao Mizpa, na ny vehivavy zanak'andriana, na ny olona rehetra izay sisa tao Mizpa, izay napetrak'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, tao amin'i Gedalia, zanak'i Ahikama; eny, Isimaela, zanak'i Netania, nitondra azy ireny ho babo, ka dia lasa niala nankany amin'ny taranak'i Amona izy.
Ary Johanana, zanak'i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra izay tao aminy dia nitondra ny olona rehetra izay voavonjiny ho afaka tamin'Isimaela, zanak'i Netania, avy tany Mizpa, taorian'ny namonoany an'i Gedalia, zanak'i Ahikama, dia ny lehilahy mpiady sy ny zaza amim-behivavy ary ny tandapa, izay nentiny niverina avy tany Gibeona;