Mialà, ka mipetraha amin'ny vovoka, ry Babylona, zanakavavy virijina! Mipetraha eo amin'ny tany, fa tsy amin'ny seza fiandrianana, ry Kaldea zanakavavy! Fa tsy hatao hoe vehivavy malemilemy sy mihantahanta intsony ianao.
Alao ny vato fikosoham-bary, ka kosohy ny koba; esory ny fisalobonanao, akaro ny moron-tongotr'akanjonao; aoka hiseho ny fenao, ka miroboha mita ny ony.
Tezitra tamin'ny oloko Aho; navelako holotoina ny lovako, ka natolotro ho eo an-tananao izy, tsy mba namindranao fo izy, fa na dia ny antitra aza dia nasianao zioga mavesatra dia mavesatra.
Kanjo hanjo anao tampoka amin'ny indray andro monja ireto zavatra roa ireto, dia ny fahafoanan'anaka sy ny fananoan-tena; Hotanterahina aminao avokoa izany, na dia maro aza ny fankatovanao, ary na dia be dia be aza ny odinao.
Fa nitoky tamin'ny faharatsianao ianao ka nanao hoe: Tsy misy mahita ahy. Ny fahendrenao sy ny fahalalanao dia nampivily anao, ka dia nanao anakampo ianao hoe: Izaho no izy, fa tsy misy afa-tsy izaho.
Sasatra noho ny hamaroan'ny fisainanao ianao; aoka hitsangana ankehitriny ireo mpamantatra ny lanitra sy mpandinika ny kintana ireo hamonjy anao, dia ireo mpanambara isaky ny tsinam-bolana izay zavatra ho tonga aminao.
Indro, fa ho tahaka ny vodivary ireo; ho main'ny afo izy ka tsy hahavonjy ny tenany amin'ny herin'ny lelafo akory; tsy misy vainafo hamindroana, na afo hitaninana aza.
Ho toy izany aminao ireo efa nisasaranao ireo, dia ireo nifampivarotra taminao hatry ny fony ianao mbola kely; samy hipariaka mandositra ho any amin'ny fonenany avy izy, ka tsy hisy hahavonjy anao.