Mihainoa, ry taranak'i Jakoba, dia ianareo izay antsoina amin'ny anaran'Isiraely sy avy amin'ny loharanon'i Joda, ianareo izay mianiana amin'ny anaran'i Jehovah ary mankalaza ny anaran'Andriamanitry ny Isiraely, kanefa tsy araka ny marina, na araka ny hitsiny;
Dia nambarako taminao hatramin'ny fahiny izany, eny, fony tsy mbola tonga aza izany, dia efa nambarako taminao rahateo, fandrao hataonao hoe: Ny sampiko no nanao izany, ary ny sarin-javatra voasokitra sy ny sarin-javatra anidina no nandidy izany.
Fa tsy nandre na nahalala ianao; Eny, hatramin'ny fahiny aza no tsy mbola nisokatra ny sofinao; fa fantatro fa tena mpivadika ianao sady natao hoe mpiodina hatrany an-kibo.
Mivoria ianareo rehetra, ka mihainoa: Iza moa amin'ireny no mba efa nanambara izany; ilay tian'i Jehovah no hahefa ny sitrapony amin'i Babylona ary ny sandriny ho amin'ny Kaldeana.
Manatona Ahy ianareo, ka mihainoa; hatramin'ny taloha no efa tsy nitenenako tamin'ny mangingina, hatry ny fony vao nisian'ireo dia teo Aho, ary ankehitriny Jehovah Tompo no naniraka Ahy sy ny Fanahiny.