Ezekiel 15

Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
ויהי דבר יהוה אלי לאמר׃
Ry zanak'olona, inona no ihoaran'ny tahom-boaloboka noho ny hazo rehetra, dia ny sakeli-boaloboka izay isan'ny hazo any an'ala?
בן אדם מה יהיה עץ הגפן מכל עץ הזמורה אשר היה בעצי היער׃
Moa mba fangalan-kazo hatao zavatra akory va izy, na mba fangalana fihantonan-javatra?
היקח ממנו עץ לעשות למלאכה אם יקחו ממנו יתד לתלות עליו כל כלי׃
Indro, hatsipy any anaty afo hataina izy; ny laniny roa ho levon'ny afo, ary ny tenatenany ho may. Ka moa azo atao zavatra akory va izy?
הנה לאש נתן לאכלה את שני קצותיו אכלה האש ותוכו נחר היצלח למלאכה׃
Indro, fony izy tsy mbola nahafahana aza, dia tsy azo natao zavatra, koa mainka fa rehefa levon'ny afo sy may izy?
הנה בהיותו תמים לא יעשה למלאכה אף כי אש אכלתהו ויחר ונעשה עוד למלאכה׃
Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Toy ny tahom-boaloboka amin'ny hazo any an'ala, izay natolotro hataina, dia toy izany no hanolorako ny mponina any Jerosalema.
לכן כה אמר אדני יהוה כאשר עץ הגפן בעץ היער אשר נתתיו לאש לאכלה כן נתתי את ישבי ירושלם׃
Ary hanandrina azy ny tavako; hiala avy amin'ny afo izy nefa ho levon'ny afo hafa indray; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, raha manandrina azy ny tavako.
ונתתי את פני בהם מהאש יצאו והאש תאכלם וידעתם כי אני יהוה בשומי את פני בהם׃
Ary hataoko lao ny tany noho ny nivadihany tamiko, hoy Jehovah Tompo.
ונתתי את הארץ שממה יען מעלו מעל נאם אדני יהוה׃