Ruth 4

Ary rehefa tafakatra teo am-bavahady Boaza ka nipetraka teo, dia, indro, nandalo ilay havana mahavotra voalazany, dia hoy Boaza: Ranona iry ô! maitia kely ange; mipetraha eto. Dia nanatona izy ka nipetraka.
波阿斯到了城门,坐在那里,恰巧波阿斯所说的那至近的亲属经过。波阿斯说:「某人哪,你来坐在这里。」他就来坐下。
Dia naka folo lahy tamin'ny loholona tao an-tanàna Boaza ka nanao hoe: Mipetraha eto ianareo. Dia nipetraka ireo.
波阿斯又从本城的长老中拣选了十人,对他们说:「请你们坐在这里。」他们就都坐下。
Dia niteny tamin'Ilay havana akaiky izy ka nanao hoe: Naomy, izay niverina avy tany amin'ny tany Moaba, dia mivarotra ny tany izay an'i Elimeleka rahalahintsika.
波阿斯对那至近的亲属说:「从摩押地回来的拿俄米,现在要卖我们族兄以利米勒的那块地;
Ary izaho nikasa hampandre anao hoe: Vidio eto anatrehan'izay mipetraka eto sy eto anatrehan'ny loholona amin'ny fireneko izany. Raha hanavotra ianao, dia avoty; fa raha tàhiny tsy hanavotra ianao, dia lazao amiko mba ho fantatro; fa tsy misy tokony hanavotra afa-tsy ianao, ary izaho no manarakaraka anao. Ary hoy izy: Hanavotra ihany aho.
我想当赎那块地的是你,其次是我,以外再没有别人了。你可以在这里的人面前和我本国的长老面前说明,你若肯赎就赎,若不肯赎就告诉我。」那人回答说:「我肯赎。」
Dia hoy Boaza: Amin'izay andro ividiananao ny tany amin'ny tànan'i Naomy, dia amin'i Rota koa, vehivavy Moabita, vadin'ny maty, no hividiananao azy, mba hamelo-maso ny anaran'ny maty ao amin'ny lovany ianao.
波阿斯说:「你从拿俄米手中买这地的时候,也当娶(原文是买;10节同)死人的妻摩押女子路得,使死人在产业上存留他的名。」
Fa hoy ilay havana mahavotra: Tsia, tsy mahazo manavotra ho an'ny tenako aho, fandrao mahasimba ny lovako; avoty ihany ho anao ny ahy, fa tsy mahavotra aho.
那人说:「这样我就不能赎了,恐怕于我的产业有碍。你可以赎我所当赎的,我不能赎了。」
Ary ny amin'ny fanavotana sy ny fanakalozana teo amin'ny Isiraely fahiny hahamafy ny teny rehetra dia izao: nesorin'ny lehilahy ny kirarony ka nomeny ho an'ny namany; dia vavolombelona teo amin'ny Isiraely izany.
从前,在以色列中要定夺什么事,或赎回,或交易,这人就脱鞋给那人。以色列人都以此为证据。
Ary hoy ilay havana mahavotra tamin'i Boaza: Vidio ho anao izany. Dia nanaisotra ny kirarony izy.
那人对波阿斯说:「你自己买吧!」于是将鞋脱下来了。
Ary hoy Boaza tamin'ny loholona sy ny vahoaka rehetra: Hianareo no vavolombelona androany fa efa novidiko tamin'ny tànan'i Naomy izay rehetra an'i Elimeleka sy izay rehetra an'i Kiliona sy Malona.
波阿斯对长老和众民说:「你们今日作见证,凡属以利米勒和基连、玛伦的,我都从拿俄米手中置买了;
Ary Rota koa, vehivavy Moabita, vadin'i Malona, dia lasako ho vadiko hamelo-maso ny anaran'ny maty ao amin'ny lovany, mba tsy ho faty maso ny anaran'ny maty eo amin'ny rahalahiny sy eo amin'ny vavahadin'ny fonenany; ianareo no vavolombelona androany.
又娶了玛伦的妻摩押女子路得为妻,好在死人的产业上存留他的名,免得他的名在本族本乡灭没。你们今日可以作见证。」
Dia hoy ny vahoaka rehetra izay teo amin'ny vavahady sy ny loholona: Eny, vavolombelona izahay; hataon'i Jehovah tahaka an'i Rahely sy tahaka an'i Lea anie izay vehivavy efa ho tonga ao an-tranonao; fa izy roa vavy no nanangana ny tranon'ny Isiraely; ary aoka ho lehibe any Efrata anie ianao, ary halaza any Betlehema anie ny anaranao;
在城门坐著的众民和长老都说:「我们作见证。愿耶和华使进你家的这女子,像建立以色列家的拉结、利亚二人一样。又愿你在以法他得亨通,在伯利恒得名声。
ary ho tahaka ny taranak'i Fareza, izay naterak'i Tamara tamin'i Joda, anie ny taranakao avy amin'ny zanaka izay homen'i Jehovah anao amin'ity vehivavy ity.
愿耶和华从这少年女子赐你后裔,使你的家像她玛从犹大所生法勒斯的家一般。」
Ary Boaza dia nampakatra an'i Rota ka nanambady azy; ary Jehovah nampanan'anaka azy, ka niteraka zazalahy izy.
于是,波阿斯娶了路得为妻,与她同房。耶和华使她怀孕生了一个儿子。
Ary hoy ireo vehivavy tamin'i Naomy: Isaorana anie Jehovah, Izay tsy namela anao androany tsy hanan-kavana mahavotra, ary aoka halaza ny anarany eo amin'ny Isiraely.
妇人们对拿俄米说:「耶和华是应当称颂的!因为今日没有撇下你,使你无至近的亲属。愿这孩子在以色列中得名声。
Dia hamelona ny ainao sy hitaiza anao izy, rehefa antitra ianao; fa niteraka azy ny vinantonaovavy, izay tia anao, ilay tsara lavitra aminao mihoatra noho ny zanaka fito lahy.
他必提起你的精神,奉养你的老,因为是爱慕你的那儿妇所生的。有这儿妇比有七个儿子还好!」
Dia nandray ny zaza Naomy ka nitrotro azy, dia tonga mpitaiza azy.
拿俄米就把孩子抱在怀中,作他的养母。
Ary ny vehivavy namany nifidy ny anarany ka nanao hoe: Misy zazalahy teraka ho an'i Naomy; ary ny anarany nataony hoe Obeda; izy no rain'i Jese, rain'i Davida.
邻舍的妇人说:「拿俄米得孩子了!」就给孩子起名叫俄备得。这俄备得是耶西的父,耶西是大卫的父。
Ary izao no taranak'i Fareza: Fareza niteraka an'i Hezrona;
法勒斯的后代记在下面:法勒斯生希斯崙;
ary Hezrona niteraka an'i Rama; ary Rama niteraka an'i Aminadaba;
希斯崙生兰;兰生亚米拿达;
ary Aminadaba niteraka an'i Nasona; ary Nasona niteraka an'i Salmona;
亚米拿达生拿顺;拿顺生撒门;
ary Salmona niteraka an'i Boaza; ary Boaza niteraka an'i Obeda;
撒门生波阿斯;波阿斯生俄备得;
ary Obeda niteraka an'i Jese; ary Jese niteraka an'i Davida.
俄备得生耶西;耶西生大卫。