II Kings 1

Ary Moaba niodina tamin'ny Isiraely, rehefa maty Ahaba.
亚哈死后,摩押背叛以色列。
Ary Ahazia nianjera avy teo amin'ny makarakara teo amin'ny efi-trano ambony tao Samaria ka narary; dia naniraka olona izy ka nanao taminy hoe: Mandehana, anontanio amin'i Bala-zeboba, andriamanitr'i Ekrona, na ho sitrana ihany aho amin'ity aretiko ity, na tsia.
亚哈谢在撒马利亚,一日从楼上的栏杆里掉下来,就病了;于是差遣使者说:「你们去问以革伦的神巴力西卜,我这病能好不能好。」
Ary Ilay Anjelin'i Jehovah niteny tamin'i Elia Tisbira hoe: Miaingà, miakara hihaona amin'ny iraky ny mpanjakan'i Samaria, ka manaova aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Moa ataonareo fa tsy misy Andriamanitra eo amin'ny Isiraely va, no mandeha hanontany amin'i Bala-zeboba, andriamanitr'i Ekrona, ianareo?
但耶和华的使者对提斯比人以利亚说:「你起来,去迎著撒马利亚王的使者,对他们说:『你们去问以革伦神巴力西卜,岂因以色列中没有 神吗?』
Koa noho izany dia tsy hidina hiala amin'ny farafara izay niakaranao ianao, fa ho faty tokoa. Ary dia lasa Elia.
所以耶和华如此说:『你必不下你所上的床,必定要死!』以利亚就去了。
Dia niverina tany amin'ny mpanjaka ny iraka, ka hoy izy taminy: Nahoana re no niverina ianareo?
使者回来见王,王问他们说:「你们为什么回来呢?」
Ary hoy ireo taminy: Nisy lehilahy niakatra nitsena anay ka nanao taminay hoe: Mandehana miverina any amin'ny mpanjaka izay naniraka anareo, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Moa ataonareo fa tsy misy Andriamanitra eo amin'ny Isiraely va, no maniraka hanontany amin'i Bala-zeboba, andriamanitr'i Ekrona, ianareo? Koa noho izany dia tsy hidina hiala amin'ny farafara izay niakaranao ianao, fa ho faty tokoa.
使者回答说:「有一个人迎著我们来,对我们说:『你们回去见差你们来的王,对他说:耶和华如此说,你差人去问以革伦神巴力西卜,岂因以色列中没有 神吗?所以你必不下所上的床,必定要死。』」
Ary hoy izy taminy: Lehilahy toy inona izay niakatra nitsena anareo izay ka nilaza izany teny izany taminareo?
王问他们说:「迎著你们来告诉你们这话的,是怎样的人?」
Ary ireo namaly azy hoe: Lehilahy mitafy volom-biby izy, sady nisy fehin-kibo hoditra tamin'ny valahany. Dia hoy izy: Elia Tisbita izay.
回答说:「他身穿毛衣,腰束皮带。」王说:「这必是提斯比人以利亚。」
Ary ny mpanjaka naniraka mpifehy dimam-polo anankiray mbamin'ny dimam-polo fehiny hankany aminy. Dia niakatra tany aminy izy; ka indro izy nipetraka teo an-tampon'ny tendrombohitra; ary niteny taminy ralehilahy hoe: Ry lehilahin'Andriamanitra ô, midìna ianao, antsoin'ny mpanjaka.
于是,王差遣五十夫长,带领五十人去见以利亚,他就上到以利亚那里;以利亚正坐在山顶上。五十夫长对他说:「神人哪,王吩咐你下来!」
Fa Elia namaly ka nanao tamin'ny mpifehy dimam-polo hoe: Raha lehilahin'Andriamanitra tokoa aho, dia aoka hisy afo milatsaka avy any an-danitra handevona anao sy ny dimam-polo fehinao. Ary dia nisy afo nilatsaka avy tany an-danitra ka nandevona azy mbamin'ny dimam-polo fehiny.
以利亚回答说:「我若是神人,愿火从天上降下来,烧灭你和你那五十人!」于是有火从天上降下来,烧灭五十夫长和他那五十人。
Dia naniraka mpifehy dimam-polo anankiray mbamin'ny dimam-polo fehiny hankany aminy koa ny mpanjaka. Dia niteny izy ka nanao taminy hoe: Ry lehilahin'Andriamanitra ô, midìna faingana ianao, antsoin'ny mpanjaka.
王第二次差遣一个五十夫长,带领五十人去见以利亚。五十夫长对以利亚说:「神人哪,王吩咐你快快下来!」
Fa namaly Elia ka nanao taminy hoe: Raha lehilahin'Andriamanitra tokoa aho, dia aoka hisy afo milatsaka avy any an-danitra ka handevona anao mbamin'ny dimam-polo fehinao. Ary dia nisy afon'Andriamanitra nilatsaka avy tany an-danitra ka nandevona azy mbamin'ny dimam-polo fehiny.
以利亚回答说:「我若是神人,愿火从天上降下来,烧灭你和你那五十人!」于是 神的火从天上降下来,烧灭五十夫长和他那五十人。
Ary dia naniraka mpifehy dimam-polo anankiray koa indray mbamin'ny dimam-polo fehiny izy. Dia niakatra ilay mpifehy dimam-polo ka tonga, ary nandohalika teo anatrehan'i Elia ka nifona taminy nanao hoe: Masìna ianao, ry lehilahin'Andriamanitra ô, aoka ho zava-tsoa eo imasonao ny aiko sy ny ain'ireto mpanomponao dimam-polo ireto.
王第三次差遣一个五十夫长,带领五十人去。这五十夫长上去,双膝跪在以利亚面前,哀求他说:「神人哪,愿我的性命和你这五十个仆人的性命在你眼前看为宝贵!
Indro, efa nisy afo nilatsaka avy tany an-danitra ka nandevona ireo roa lahy mpifehy dimam-polo ireo mbamin'ny dimam-polo fehiny avy; fa aoka kosa ho zava-tsoa eo imasonao ny aiko ankehitriny.
已经有火从天上降下来,烧灭前两次来的五十夫长和他们各自带的五十人;现在愿我的性命在你眼前看为宝贵!」
Ary hoy Ilay Anjelin'i Jehovah tamin'i Elia: Midina ihany hiaraka aminy ianao; fa aza matahotra azy. Ary dia niainga izy ka nidina niaraka taminy ho any amin'ny mpanjaka.
耶和华的使者对以利亚说:「你同著他下去,不要怕他!」以利亚就起来,同著他下去见王,
Ary hoy izy tamin'ny mpanjaka: Izao no lazain'i Jehovah: Satria naniraka olona hanontany amin'i Bala-zeboba, andriamanitr'i Ekrona, ianao, hoatra ny tsy misy Andriamanitra eo amin'ny Isiraely, dia tsy hidina hiala amin'ny farafara izay niakaranao ianao fa ho faty tokoa.
对王说:「耶和华如此说:『你差人去问以革伦神巴力西卜,岂因以色列中没有 神可以求问吗?所以你必不下所上的床,必定要死!』」
Ka dia maty izy araka ny tenin'i Jehovah izay nolazain'i Elia. Ary satria tsy nanan-janaka izy, dia Jorama no nanjaka nandimby azy tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Jehorama, zanak'i Josafata, mpanjakan'ny Joda.
亚哈谢果然死了,正如耶和华借以利亚所说的话。因他没有儿子,他兄弟约兰接续他作王,正在犹大王约沙法的儿子约兰第二年。
Ary ny asan'i Ahazia sisa izay nataony, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany?
亚哈谢其余所行的事都写在以色列诸王记上。