Psalms 123

שיר המעלות אליך נשאתי את עיני הישבי בשמים׃
Fihirana fiakarana. Aminao no anandratako ny masoko, Ry Mpitoetra any an-danitra ô.
הנה כעיני עבדים אל יד אדוניהם כעיני שפחה אל יד גברתה כן עינינו אל יהוה אלהינו עד שיחננו׃
Indro, toy ny fijerin'ny ankizilahy Ny tanan'ny tompolahiny, Ary toy ny fijerin'ny ankizivavy Ny tanan'ny tompovaviny, No fijerintsika an'i Jehovah Andriamanitsika, Mandra-pamindra fony amintsika.
חננו יהוה חננו כי רב שבענו בוז׃
Mamindrà fo aminay, Jehovah ô, mamindrà fo aminay; Fa tototry ny fanamavoana loatra izahay;
רבת שבעה לה נפשנו הלעג השאננים הבוז לגאיונים׃
Eny, tototry ny famingavingan'ny miadana ny fanahinay, Sy tototry ny fanamavoan'ny mpiavonavona.