Hosea 10

גפן בוקק ישראל פרי ישוה לו כרב לפריו הרבה למזבחות כטוב לארצו היטיבו מצבות׃
Voaloboka misandrahaka Isiraely, mamoa ho azy izy; Araka ny habetsahan'ny voany no nanaovany alitara betsaka, araka ny hatsaran'ny taniny no nanaovany tsangam-baton-tsampy tsara tarehy.
חלק לבם עתה יאשמו הוא יערף מזבחותם ישדד מצבותם׃
Mamitaka ny fony, koa dia hovaliana izy izao noho ny helony; Jehovah no hanimba ny alitarany sy handrava ny tsangam-baton-tsampiny
כי עתה יאמרו אין מלך לנו כי לא יראנו את יהוה והמלך מה יעשה לנו׃
Amin'izany dia hiteny izy hoe: Tsy mana-mpanjaka isika; Fa tsy natahorantsika Jehovah, koa hahavita inona ho antsika moa izay mpanjaka?
דברו דברים אלות שוא כרת ברית ופרח כראש משפט על תלמי שדי׃
Niteniteny foana izy tamin'ny nianianany tsy tò sy ny nanaovany fanekena; Ka nitrebona toy ny zava-mangidy eny am-bavasa eny an-tsaha ny rariny.
לעגלות בית און יגורו שכן שמרון כי אבל עליו עמו וכמריו עליו יגילו על כבודו כי גלה ממנו׃
Ny mponina any Samaria matahotra noho ny amin'ny ombivavy kely ao Betavena; Fa ny olony mitomany azy,
גם אותו לאשור יובל מנחה למלך ירב בשנה אפרים יקח ויבוש ישראל מעצתו׃
Iny koa ho entina any Asyria ho fanomezana ho an'i Jareba mpanjaka; Ho afa-baraka Efraima, eny, hangaihay Isiraely noho ny saina nataony.
נדמה שמרון מלכה כקצף על פני מים׃
Ho rava Samaria, ny mpanjakany dia ho tonga toy ny sombin-javatra eny ambonin'ny rano.
ונשמדו במות און חטאת ישראל קוץ ודרדר יעלה על מזבחותם ואמרו להרים כסונו ולגבעות נפלו עלינו׃
Ary ho rava koa ny fitoerana avo ho Avena, izay anotan'Isiraely; Ho rakotry ny tsilo sy ny ahitra ratsy ny alitarany; Ary izy hanao amin'ny tendrombohitra hoe: sarony izahay, ary amin'ny havoana hoe: Mianjerà aminay.
מימי הגבעה חטאת ישראל שם עמדו לא תשיגם בגבעה מלחמה על בני עלוה׃
Hatramin'ny andro fony tany Gibea no efa nanotanao, ry Isiraely; Nikikitra tany izy; Tsy nahatratra azy tany Gibea ny ady namelezana ny zanaky ny faharatsiana.
באותי ואסרם ואספו עליהם עמים באסרם לשתי עינתם׃
Araka ny sitrako no hamaizako azy; Ary hovorina hamely azy ny firenena, amin'ny hamatorana azy noho ny helony roa loha.
ואפרים עגלה מלמדה אהבתי לדוש ואני עברתי על טוב צוארה ארכיב אפרים יחרוש יהודה ישדד לו יעקב׃
Ary Efraima dia tahaka ny ombivavy kely efa voafolaka ka faly hively vary; Ary hasiako zioga ny vozony tsara tarehy; Hampandehaniko Efraima; Joda hiasa tany, ary Jakoba handravona.
זרעו לכם לצדקה קצרו לפי חסד נירו לכם ניר ועת לדרוש את יהוה עד יבוא וירה צדק לכם׃
Mamafaza ho anareo araka ny fahamarinana, mijinjà araka ny fitiavana, hevoy ny tombam-borakareo; Fa izao no andro hitadiavana an'i Jehovah ambara-pihaviny sy handatsahany fahamarinana aminareo.
חרשתם רשע עולתה קצרתם אכלתם פרי כחש כי בטחת בדרכך ברב גבוריך׃
Niasa faharatsiana ianareo, ka fahadisoana no nojinjanareo; Nihinana ny vokatry ny lainga ianareo fa nitoky tamin'ny alehanareo sy ny habetsahan'ny lehilahy maherinareo ianareo.
וקאם שאון בעמך וכל מבצריך יושד כשד שלמן בית ארבאל ביום מלחמה אם על בנים רטשה׃
Dia hisy tabataba hamelezana ny olonareo, ka horavana ny tanànareo mimanda rehetra, toy ny nandravan'i Salamana an'i Bet-arbela tamin'ny andro niadiana, ka torotoro avokoa ny reniny mbamin'ny zanany.
ככה עשה לכם בית אל מפני רעת רעתכם בשחר נדמה נדמה מלך ישראל׃
Toy izany no hataon'i Betela aminareo, noho ny haben'ny faharatsianareo; Raha maraina ny andro, dia ho levona mihitsy ny mpanjakan'ny Isiraely.