Deuteronomy 29

אלה דברי הברית אשר צוה יהוה את משה לכרת את בני ישראל בארץ מואב מלבד הברית אשר כרת אתם בחרב׃
Dia niantso ny Isiraely rehetra Mosesy ka nanao taminy hoe: Hianareo efa nahita izay rehetra nataon'i Jehovah teo imasonareo tany amin'ny tany Egypta tamin'i Farao sy ny mpanompony rehetra ary ny taniny rehetra,
ויקרא משה אל כל ישראל ויאמר אלהם אתם ראיתם את כל אשר עשה יהוה לעיניכם בארץ מצרים לפרעה ולכל עבדיו ולכל ארצו׃
dia ny fizahan-toetra lehibe, izay efa hitan'ny masonao, dia ireny famantarana sy fahagagana lehibe ireny.
המסות הגדלת אשר ראו עיניך האתת והמפתים הגדלים ההם׃
Nefa tsy nomen'i Jehovah fo hahalala sy maso hahita ary sofina handre ianareo mandraka androany.
ולא נתן יהוה לכם לב לדעת ועינים לראות ואזנים לשמע עד היום הזה׃
Dia nitondra anareo tany an-efitra efa-polo taona aho; tsy rovitra teny aminareo ny fitafianareo, ary tsy rovitra teo amin'ny tongotrao ny kapanao.
ואולך אתכם ארבעים שנה במדבר לא בלו שלמתיכם מעליכם ונעלך לא בלתה מעל רגלך׃
Tsy mofo no fihinanareo, ary tsy divay na toaka no fisotronareo, mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
לחם לא אכלתם ויין ושכר לא שתיתם למען תדעו כי אני יהוה אלהיכם׃
Ary nony tonga tamin'ity tany ity ianareo, dia nivoaka Sihona, mpanjakan'i Hesbona, sy Oga, mpanjakan'i Basana, hiady amintsika, dia resintsika izy roa lahy.
ותבאו אל המקום הזה ויצא סיחן מלך חשבון ועוג מלך הבשן לקראתנו למלחמה ונכם׃
Ary nalaintsika ny taniny ka nomentsika ho zara-tanin'ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen'i Manase.
ונקח את ארצם ונתנה לנחלה לראובני ולגדי ולחצי שבט המנשי׃
Dia tandremo ny tenin'izao fanekena izao, ka araho, mba hambinina ianareo amin'izay rehetra ataonareo.
ושמרתם את דברי הברית הזאת ועשיתם אתם למען תשכילו את כל אשר תעשון׃
Hianareo rehetra miseho eto anatrehan'i Jehovah Andriamanitrareo anio, dia ny lehibenareo sy ny firenenareo, ny lohan'ny firenenareo sy ny mpifehy anareo ary ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely,
אתם נצבים היום כלכם לפני יהוה אלהיכם ראשיכם שבטיכם זקניכם ושטריכם כל איש ישראל׃
ny zanakareo madinika koa sy ny vadinareo ary ny vahiny eo amin'ny tobinareo mbamin'ny mpikapa hazonao sy ny mpantsaka ranonao
טפכם נשיכם וגרך אשר בקרב מחניך מחטב עציך עד שאב מימיך׃
hidiranao amin'ny faneken'i Jehovah Andriamanitrao sy ny fianianana, izay ataon'i Jehovah Andriamanitrao aminao anio,
לעברך בברית יהוה אלהיך ובאלתו אשר יהוה אלהיך כרת עמך היום׃
hanandratany anao ho fireneny, ary mba ho Andriamanitrao Izy, araka izay nolazainy taminao sy araka izay nianianany tamin'ny razanao, dia Abrahama sy Isaka ary Jakoba.
למען הקים אתך היום לו לעם והוא יהיה לך לאלהים כאשר דבר לך וכאשר נשבע לאבתיך לאברהם ליצחק וליעקב׃
Ary tsy aminareo ihany no anaovako izao fanekena sy fianianana izao,
ולא אתכם לבדכם אנכי כרת את הברית הזאת ואת האלה הזאת׃
fa amin'izay eto amintsika anio eto anatrehan'i Jehovah Andriamanitsika sy amin'izay tsy eto amintsika anio koa;
כי את אשר ישנו פה עמנו עמד היום לפני יהוה אלהינו ואת אשר איננו פה עמנו היום׃
fa fantatrareo izay nitoerantsika tany amin'ny tany Egypta sy izay nandehanantsika namaky ny tanin'ny jentilisa;
כי אתם ידעתם את אשר ישבנו בארץ מצרים ואת אשר עברנו בקרב הגוים אשר עברתם׃
ary efa hitanareo ny fahavetavetany sy ny sampiny hazo sy vato sy volafotsy ary volamena, izay teo aminy;
ותראו את שקוציהם ואת גלליהם עץ ואבן כסף וזהב אשר עמהם׃
fandrao hisy lehilahy, na vehivavy, na mpianakavy, na firenena eto aminareo, izay manana fo mivily anio, ka miala amin'i Jehovah Andriamanitsika, handehanany hanompo ny andriamanitr'ireny firenena ireny; fandrao hisy faka eo aminareo izay miteraka zava-mangidy sady mahafaty;
פן יש בכם איש או אשה או משפחה או שבט אשר לבבו פנה היום מעם יהוה אלהינו ללכת לעבד את אלהי הגוים ההם פן יש בכם שרש פרה ראש ולענה׃
ary raha ren'izany olona izany ny tenin'ity fanozonana ity, dia hiarahaba tena ao am-pony izy ka hanao hoe: Hanam-piadanana aho, fa hanaraka ny ditry ny foko, handringanana ny leony mbamin'ny mangetaheta.
והיה בשמעו את דברי האלה הזאת והתברך בלבבו לאמר שלום יהיה לי כי בשררות לבי אלך למען ספות הרוה את הצמאה׃
Ary Jehovah dia tsy hety hamela ny helony, fa hanetroka amin'izany lehilahy izany ny fahatezeran'i Jehovah sy ny fahasaro-piarony, ary hitoetra aminy ny fanozonana rehetra izay voasoratra amin'ity boky ity, ka hovonoin'i Jehovah tsy ho eo ambanin'ny lanitra ny anarany.
לא יאבה יהוה סלח לו כי אז יעשן אף יהוה וקנאתו באיש ההוא ורבצה בו כל האלה הכתובה בספר הזה ומחה יהוה את שמו מתחת השמים׃
Dia hosarahin'i Jehovah amin'ny firenen'Isiraely rehetra ho amin'ny loza izy, araka ny fanozonana rehetra amin'ny fanekena izay voasoratra amin'ity bokin'ny lalàna ity.
והבדילו יהוה לרעה מכל שבטי ישראל ככל אלות הברית הכתובה בספר התורה הזה׃
Ary hiteny ny taranaka any aoriana, dia ny zanakareo izay hitsangana handimby anareo, sy ny vahiny avy amin'ny tany lavitra, raha mahita ny kapoka natao tamin'ity tany ity sy ny faharariana izay nampaharanan'i Jehovah azy
ואמר הדור האחרון בניכם אשר יקומו מאחריכם והנכרי אשר יבא מארץ רחוקה וראו את מכות הארץ ההוא ואת תחלאיה אשר חלה יהוה בה׃
fa ho solifara sy sira ary fahamaizana ny tany rehetra eo: tsy hofafazana izy, na hanirian-javatra, sady tsy hisy ahitra akory hitrebona ao, tahaka ny nandravana an'i Sodoma sy Gomora sy Adma ary Zeboima, izay noravan'i Jehovah tamin'ny fahavinirany sy ny fahatezerany
גפרית ומלח שרפה כל ארצה לא תזרע ולא תצמח ולא יעלה בה כל עשב כמהפכת סדם ועמרה אדמה וצביים אשר הפך יהוה באפו ובחמתו׃
dia hiteny ny firenena rehetra hoe: Nahoana Jehovah no dia nanao toy izany tamin'ity tany ity? Inona no hevitry ny firehetan'izao fahatezerana lehibe izao?
ואמרו כל הגוים על מה עשה יהוה ככה לארץ הזאת מה חרי האף הגדול הזה׃
Dia hiteny ny vahoaka ka hanao hoe: Satria izy nahafoy ny faneken'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, izay nataony taminy fony Izy nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta.
ואמרו על אשר עזבו את ברית יהוה אלהי אבתם אשר כרת עמם בהוציאו אתם מארץ מצרים׃
Fa nandeha izy ka nanompo andriamani-kafa sady niankohoka teo anatrehany, dia andriamanitra izay tsy fantany sady tsy nomena azy;
וילכו ויעבדו אלהים אחרים וישתחוו להם אלהים אשר לא ידעום ולא חלק להם׃
dia nirehitra tamin'ity tany ity ny fahatezeran'i Jehovah, ka nataony tonga taminy avokoa ny fanozonana rehetra izay voasoratra eto amin'ity boky ity;
ויחר אף יהוה בארץ ההוא להביא עליה את כל הקללה הכתובה בספר הזה׃
ary fahavinirana sy fahatezerana ary fahatezerana mirehitra no nandroahan'i Jehovah azy tsy ho eo amin'ny taniny sy nampandehanany azy ho any amin'ny tany hafa, tahaka ny amin'izao anio izao.
ויתשם יהוה מעל אדמתם באף ובחמה ובקצף גדול וישלכם אל ארץ אחרת כיום הזה׃
An'i Jehovah Andriamanitsika ny zava-miafina; fa antsika sy ny zanatsika mandrakizay kosa ny zavatra ambara, hankatoavantsika ny teny rehetra amin'ity lalàna ity.
הנסתרת ליהוה אלהינו והנגלת לנו ולבנינו עד עולם לעשות את כל דברי התורה הזאת׃