Ezra 1

波斯王古列元年,耶和华为要应验借耶利米口所说的话,就激动波斯王古列的心,使他下诏通告全国说:
Ary tamin'ny taona voalohany nanjakan'i Kyrosy, mpanjakan'i Persia, dia notairin'i Jehovah ny fanahin'i Kyrosy, mpanjakan'i Persia, mba hanatanteraka ny tenin'i Jehovah izay nampilazainy an'i Jeremia, ka dia nandefa teny eran'ny fanjakany rehetra izy, sady nataony an-tsoratra koa izany hoe:
「波斯王古列如此说:『耶和华天上的 神已将天下万国赐给我,又嘱咐我在犹大的耶路撒冷为他建造殿宇。
Izao no lazain'i Kyrosy, mpanjakan'i Persia: Ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany dia efa nomen'i Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, ahy; ary Izy efa nandidy ahy hanao trano ho Azy any Jerosalema izay any Joda.
在你们中间凡作他子民的,可以上犹大的耶路撒冷,在耶路撒冷重建耶和华─以色列 神的殿(只有他是 神)。愿 神与这人同在。
Koa iza avy moa aminareo rehetra no olony? Andriamaniny anie homba azy, fa aoka hiakatra any Jerosalema izay any Joda izy ka hanao ny tranon'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izy no Andriamanitra Izay any Jerosalema.
凡剩下的人,无论寄居何处,那地的人要用金银、财物、牲畜帮助他,另外也要为耶路撒冷 神的殿甘心献上礼物。』」
Ary na iza na iza sisa tratra, dia aoka ny tompon-tany ao amin'izay ivahiniany hanome azy volafotsy sy volamena sy fanaka ary biby fiompy mbamin'ny fanati-tsitrapo ho an'ny tranon'Andriamanitra, izay any Jerosalema.
于是,犹大和便雅悯的族长、祭司、利未人,就是一切被 神激动他心的人,都起来要上耶路撒冷去建造耶和华的殿。
Dia niainga ny lohan'ny firenen'i Joda sy Benjamina sy ny mpisorona sy ny Levita, dia izay rehetra efa namporisihin'Andriamanitra hiakatra hanao ny tranon'i Jehovah any Jerosalema.
他们四围的人就拿银器、金子、财物、牲畜、珍宝帮助他们(原文是坚固他们的手),另外还有甘心献的礼物。
Ary izay rehetra manodidina dia nampahery ny tànan'ireo tamin'ny fanaka volafotsy sy volamena sy fanaka hafa sy biby fiompy ary zava-tsoa mbamin'izay rehetra nateriny tamin'ny sitrapo.
古列王也将耶和华殿的器皿拿出来,这器皿是尼布甲尼撒从耶路撒冷掠来、放在自己神之庙中的。
Dia navoak'i Kyrosy mpanjaka ny fanaky ny tranon'i Jehovah, izay efa nalain'i Nebokadnezara tany Jerosalema ka efa nataony tao an-tranon'ireo andriamaniny.
波斯王古列派库官米提利达将这器皿拿出来,按数交给犹大的首领设巴萨。
Ary Mitredata, mpitahiry ny haren'ny fanjakana, dia nasain'i Kyrosy, mpanjakan'i Persia; namoaka ireny, ka nisainy sady natolony an'i Sesbazara, lehiben'ny firenen'i Joda.
器皿的数目记在下面:金盘三十个,银盘一千个,刀二十九把,
Ary izao no isany: Lovia volamena telo-polo, lovia volafotsy arivo, antsy sivy amby roa-polo,
金碗三十个,银碗之次的四百一十个,别样的器皿一千件。
kapoaka volamena misarona telo-polo, lovia volafotsy manarakaraka folo amby efa-jato, ary lovia hafa koa arivo;
金银器皿共有五千四百件。被掳的人从巴比伦上耶路撒冷的时候,设巴萨将这一切都带上来。
efa-jato amby dimy arivo no isan'ny fanaka volamena sy volafotsy rehetra. Ireo rehetra ireo dia nentin'i Sesbazara niaraka nankany Jerosalema tamin'ny babo izay niverina avy tany Babylona.