Izao no lazain'i Jehovah: Efa tafaverina ho eto Ziona Aho ka honina eto afovoan'i Jerosalema; ary Jerosalema dia hatao hoe Tanànan'ny fahamarinana, ary ny tendrombohitr'i Jehovah, Tompon'ny maro, dia hatao hoe Tendrombohitra masina.
Fa talohan'izany andro izany dia tsy nisy valim-pahasasarana ho an'ny olona, na valim-pahasasarana ho an'ny biby fiompy; ary tsy nisy fiadanana ho an'izay nivoaka sy izay niditra noho ny fahavalo, fa nalefako samy hifamely amin'ny namany avy ny olona rehetra.
Fa hisy vokatry ny fiadanana, ny voaloboka hamoa, ary ny tany hahavokatra, ary ny lanitra hampilatsaka ny andony, ary ny sisa amin'ity firenena ity no hampandovaiko izany rehetra izany.
Ary toy ny nahatongavanareo ho fanozonana tany amin'ny firenena, ry taranak'i Joda sy ry taranak'Isiraely, dia ho toy izany no hamonjeko anareo, ka dia ho tonga fitsofan-drano kosa ianareo; aza matahotra, fa aoka hatanjaka ny tananareo.
Fa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Toy ny nisainako hahatonga loza aminareo tamin'ny nampahatezeran'ny razanareo Ahy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, ka tsy nanenina Aho,
ary aza misy mieritreritra ao am-ponareo hanisy ratsy ny namanareo ianareo, ary aza tia fianianan-tsy tò; fa izany rehetra izany dia halako, hoy Jehovah.
Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Ny fifadian-kanina amin'ny volana fahefatra sy ny fifadian-kanina amin'ny fahadimy sy ny fifadian-kanina amin'ny fahafito ary ny fifadian-kanina amin'ny fahafolo dia samy ho tonga fifaliana sy firavoravoana ary fotoana mahafinaritra avokoa ho an'ny taranak'i Joda; koa tiava ny fahamarinana sy ny fiadanana.
Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Amin'izany andro izany dia hisy folo lahy avy amin'ny firenena samy hafa fiteny rehetra hihazona ny sisin-damban'ny Jiosy anankiray ka hanao hoe: Mba handeha hiaraka aminareo izahay; fa efa renay fa momba anareo Andriamanitra.