Titus 3

Mampahatsiarova azy hanaiky izay manapaka sy manam-pahefana, hanoa tsara, ho vonona ho amin'ny asa tsara rehetra,
tsy hiteny ratsy olona, tsy ho mpila ady, fa ho mpandefitra, maneho ny halemem-panahy rehetra amin'ny olona rehetra.
Fa isika koa dia adala fahiny, tsy nanaiky, voafitaka, dia andevon'ny filàna sy ny fahafinaretana maro, ary velona teo amin'ny lolompo sy ny fialonana, sady hala no nifankahala.
Fa rehefa niseho ny fahamoram-panahin'Andriamanitra, Mpamonjy antsika, sy ny fitiavany ny olona,
dia tsy avy tamin'ny asa amin'ny fahamarinana izay nataontsika, fa araka ny famindram-po kosa no namonjeny antsika, tamin'ny fanasan'ny fiterahana indray sy ny fanavaozan'ny Fanahy Masina,
Izay naidiny betsaka tamintsika tamin'ny alalan'i Jesosy Kristy, Mpamonjy antsika,
mba hohamarinina amin'ny fahasoavany isika ka ho tonga mpandova araka ny fanantenana ny fiainana mandrakizay.
Mahatoky izany teny izany, ary izany zavatra izany dia tiako hitompoanao mafy, mba hotandreman'izay efa mino an'Andriamanitra ny hanao asa tsara. Sady tsara no mahasoa ny olona izany zavatra izany.
Fa halaviro ny fanontaniana adala sy ny tantaram-pirazanana sy ny fifandirana sy ny ady teny ny amin'ny lalàna; fa tsy mahasoa sady zava-poana izany.
Izay mpanao hevi-diso, rehefa nanarinao indray maka na indroa, dia ialao,
satria fantatrao fa voavadika izay manao izany ka sady manota no manamelo-tena koa.
Rehefa maniraka an'i Artema ny Tykiko ho atỳ aminao aho, dia mazotoa hankany amiko any Nikopolia ianao, fa mikasa handany ny ririnina any aho.
Mazotoa hamoaka an'i Zena mpahay lalàna sy Apolosy, mba tsy hisy zavatra hilainy.
Ary aoka ny antsika koa hianatra hanao asa tsara hahazoany izay ilainy, fandrao tsy hisy vokatra izy.
Manao veloma anao izay rehetra atỳ amiko. Manaova veloma izay rehetra tia anay amin'ny finoana. Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavana.