Fa izay rehetra voasoratra fahiny dia nosoratana ho fianarantsika hananantsika ny fanantenana amin'ny faharetana sy ny fiononana avy amin'ny Soratra Masina.
mba hankalazan'ny jentilisa an'Andriamanitra koa noho ny famindram-po, araka ny voasoratra hoe: Izany no hiderako Anao any amin'ny jentilisa Sy hankalazako ny anaranao (Sal. 18. 49).
Ary Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo amin'ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra amin'ny finoanareo, mba hitomboanareo amin'ny fanantenana noho ny herin'ny Fanahy Masina.
mba ho mpanompon'i Kristy Jesosy ho an'ny jentilisa aho ka manao fanompoam-pivavahana amin'ny itoriako ny filazantsaran'Andriamanitra, mba horaisina amin'ny fankasitrahana ny fanatitra, dia ny jentilisa, rehefa nohamasinin'ny Fanahy Masina.
dia tamin'ny herin'ny famantarana sy ny fahagagana, ary tamin'ny herin'ny Fanahy Masina, dia hatrany Jerosalema ka manodidina hatrany Ilyrikiona, no nahatanterahako ny fitoriako ny filazantsaran'i Kristy.
Koa dia nataoko ho voninahitro ny hitory ny filazantsara toy izao: tsy eo amin'izay efa niantsoana an'i Kristy anefa, fandrao hanovona eo ambonin'izay efa naorin'ny sasany aho;
Eny, sitrapony izany, sady mpitrosa aminy izy. Fa raha ny jentilisa no niombona ny zava-panahy taminy, dia tokony hanompo azy kosa amin'ny zavatra momba ny nofo izy.
Ary mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny amin'i Jesosy Kristy Tompontsika sy ny fitiavana avy amin'ny Fanahy, mba hiarahanareo miezaka amiko amin'ny fivavahanareo amin'Andriamanitra ho ahy,