Psalms 88

Tonon-kira. Salamo nataon'ny Koraita. Ho an'ny mpiventy hira. Almahalath-leanoth. Maskila nataon'i Hemana Ezrahita. Jehovah ô, Andriamanitry ny famonjena ahy, Andro aman'alina no itarainako eo anatrehanao;
Aoka ny fivavako ho tonga eo anatrehanao; Atongilano amin'ny fitarainako ny sofinao;
Fa diboka ny fahoriana ny fanahiko; Ary ny aiko manakaiky ny fiainan-tsi-hita.
Natao ho isan'izay midina any an-davaka aho Ary efa tahaka izay tsy manan-kery;
Efa nafoy ho any amin'ny maty aho, Tahaka izay voavono, mandry ao am-pasana, Izay tsy tsarovanao intsony, Fa voafongotry ny tananao.
Efa nametraka ahy any an-davaka ambany indrindra Hianao, Ao amin'ny maizina, dia ao amin'ny lalina.
Ny fahatezeranao manindry ahy mafy, Ary ny alon-dranonao rehetra azeranao amiko.
Efa nampanalavirinao ahy ny olona nahazatra ahy; Efa nataonao. fahavetavetana eo imasony aho; Voahidy aho ka tsy afa-mivoaka.
Ny masoko efa pahina noho ny fahoriana; Jehovah ô, miantso Anao isan'andro aho, Mamefy tanana aminao aho.
Haneho fahagagana amin'ny maty va Hianao? Ny matoatoa va no hitsangana hidera Anao?
Hotorina any am-pasana va ny famindram-ponao, Ary ny fahamarinanao any amin'ny fandringanana?
Ho fantatra ao amin'ny maizina va ny fahagagana ataonao, Ary ny fahamarinanao ao amin'ny tany fanadinoana?
Fa raha izaho, dia Hianao no itarainako, Jehovah ô; Ary ny fivavako tonga eo anatrehanao nony maraina.
Jehovah ô, nahoana no manary ny fanahiko Hianao Ka manafina ny tavanao amiko?
Ory aho ka efa ho faty hatramin'ny fahazazako; Raha itambesa-ran'ny fampitahoranao aho, dia very hevitra;
Manafotra ahy ny fahatezeranao; Matin'ny fampitahoranao aho;
Mandifotra ahy mandrakariva tahaka ny rano ireny; Miara-manodidina ahy izy.
Efa nampanalavirinao ahy ny olona tia ahy sy ny sakaizako; Ireo nahazatra ahy dia fahamaizinana.