Psalms 87

Salamo nataon'ny Koraita. Tonon-kira. Ny naorin'i Jehovah dia ao an-tendrombohitra masina;
Ny vavahadin'i Ziona dia tian'i Jehovah mihoatra noho ny fonenana rehetra izay an'i Jakoba.
Zava-malaza no anambarana anao Ry tanĂ nan'Andriamanitra
Hanonona an-dRahaba sy Babylona Aho ho isan'izay mahalala ahy; Indro Filistia sy Tyro mbamin'i Etiopia, Ity no efa teraka teo.
Ary Ziona hilazana hoe: Ireto sy ireroa samy efa teraka teo; Ary ny Avo Indrindra no mampitoetra azy.
Jehovah hanisa, raha manoratra ny firenena Izy: Ity no efa teraka teo.
Hoy izay mihira sy mandihy: Ny loharanoko rehetra dia ao aminao.