Psalms 64

Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Henoy ny feoko, raha mitaraina aho, Andriamanitra ô; arovy ny aiko amin'ny tahotro ny fahavalo.
Afeno aho tsy ho azon'ny firaisan-tetiky ny ratsy fanahy,sy ny fitabataban'ny mpanao ratsy,
Izay mandranitra ny lelany ho tahaka ny sabatra, ka mikendry handefa ny zana-tsipìkany, dia teny mangidy.
Mba hitifitra mangingina ny mahitsy; mitifitra azy tampoka izy ka tsy matahotra.
Hamafiny ny hevi-dratsiny; mifampitaona hanao fandri-totofana izy ka manao hoe: iza no hahita izany?
Manao saim-petsy izy; omaniny tsara ny sain-dalina voaheviny; lalina ny ao anatin'ny olombelona, dia ny fony.
Mitifitra azy Andriamanitra; tampoka toy ny fiantefan'ny zana-tsipìka no fahavoazany.
Apotrany izy ka voasingotra ny lelany ihany; mandositra izay rehetra mahita azy.
Dia matahotra ny olona rehetra ka manambara ny ataon'Andriamanitra sady mandinika tsara ny asany.
Mifaly amin'i Jehovah ny marina ka mialoka aminy; eny, mifaly tena ny mahitsy fo rehetra.