Psalms 52

Ho an'ny mpiventy hira. Maskila nataon'i Davida, fony tonga Doega Edomita ka nilaza tamin'i Saoly hoe: Davida dia efa tonga ao an-tranon'i Ahimeleka. Nahoana no mandoka tena amin'ny haratsiana ianao, ry ilay mahery? Ny famindram-pon'Andriamanitra maharitra mandrakariva.
Loza no heverin'ny lelanao, tahaka ny hareza maranitra, ry mpanao fitaka.
Efa tia ny ratsy noho ny tsara ianao, ary ny lainga noho ny miteny ny marina.
Ny teny mandripaka rehetra no tianao, ry lela mamitaka.
Andriamanitra kosa hanimba anao mandrakizay; hisambotra anao sy hanongotra anao hiala ao an-day Izy, ary hamongotra anao tsy ho eo amin'ny tanin'ny velona.
Ny marina hijery, dia hatahotra ka hihomehy azy hoe:
Indro, ny lehilahy izay tsy nanao an'Andriamanitra ho heriny; fa natoky ny haben'ny hareny ka nikikitra tamin'ny faharatsiany.
Fa izaho dia tahaka ny hazo oliva maitso ao an-tranon'Andriamanitra. Matoky ny famindram-pon'Andriamanitra mandrakizay doria aho.
Hidera Anao mandrakizay aho, fa efa nataonao izany; ary hiandry ny anaranao eo anatrehan'ny olonao masina aho, fa tsara izany.