Izao zavatra izao no hotsarovako, ka haidiko ato anatiko ny fanahiko, dia ny nandrosoako niaraka tamin'ny maro, sy ny nitarihako azy ho any an-tranon'Andriamanitra, nanao feo mihoby sy midera, dia olona maro izay nitandrina ny andro firavoravoana.
Nahoana no mitanondrika ianao, ry fanahiko, ka mitoloko ato anatiko? Manantenà an'Andriamanitra ianao, fa mbola hidera Azy ihany aho noho ny famonjen'ny tavany.
Andriamanitro ô, mitanondrika ato anatiko ny fanahiko; Izany no ahatsiarovako Anao eo amin'ny tanin'i Jordana sy amin'ireo Hermona ary amin'ny tendrombohitra Mizara.
Nahoana no mitanondrika ianao, ry fanahiko? ary nahoana no mitoloko ato anatiko ianao? Manantenà an'Andriamanitra, fa mbola hidera Azy ihany aho, Izy no famonjena ny tavako sady Andriamanitro.