Psalms 33

Mihobia ho an'i Jehovah ianareo, ry olo-marina; fa mendrika hataon'ny olo-mahitsy ny fiderana.
Miderà an'i Jehovah amin'ny lokanga; mankalazà Azy amin'ny valiha tory folo.
Mihirà fihiram-baovao ho Azy; mitendre tsara amin'ny feo fifaliana.
Fa mahitsy ny tenin'i Jehovah, ary ny asany rehetra dia mahatoky avokoa.
Tia fahamarinana sy rariny Izy; henika ny famindram-pon'i Jehovah ny tany.
Ny tenin'i Jehovah no nanaovana ny lanitra; ary ny fofonain'ny vavany no nanaovana ny hamaroany rehetra.
Mampiavosa ny rano ao an-dranomasina ho toy ny antontan-javatra Izy; mitahiry ny rano lalina ao an-trano fitehirizana Izy.
Aoka hatahotra an'i Jehovah ny tany rehetra; aoka hangovitra eo anatrehany ny mponina rehetra amin'izao tontolo izao.
Fa Izy no niteny dia ary izany; Izy no nandidy, dia nitoetra mafy izany.
Jehovah mahafoana ny fisainan'ny firenen-tsamy hafa; Mahatsinontsinona ny hevitry ny olona Izy.
Ny fisainan'i Jehovah maharitra mandrakizay, ny hevitry ny fony mahatratra ny taranaka fara mandimby.
Sambatra ny firenena izay manana an'i Jehovah ho Andriamaniny, dia ny olona nofidiny ho lovany.
Eny an-danitra no itsinjovan'i Jehovah, mijery ny zanak'olombelona rehetra Izy;
Eo amin'ny fonenany no ijereny ny mponina rehetra ambonin'ny tany,
Dia Izy Mpamorona ny fon'izy rehetra sy Mpamantatra ny asany rehetra.
Tsy misy mpanjaka voavonjin'ny hamaroan'ny miaramilany; ny olo-mahery tsy voavonjin'ny haben'ny heriny.
Ny soavaly tsy azo itokiana ho famonjena, ary tsy mahavonjy ny haben'ny heriny.
Indro, ny mason'i Jehovah mitsinjo izay matahotra Azy, dia izay manantena ny famindram-pony,
mba hanafaka ny fanahiny amin'ny fahafatesana, sy hamelona azy, raha misy mosary.
Ny fanahintsika miandry an'i Jehovah; famonjena antsika sy ampingantsika Izy.
Fa Izy no ifalian'ny fontsika, satria ny anarany masina no itokiantsika.
Jehovah ô, aoka ny famindram-ponao hitoetra aminay araka ny anantenanay Anao.