Psalms 23

Salamo nataon'i Davida. Jehovah no Mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho,
Mampandry ahy amin'ny ahi-maitso Izy; mitondra ahy eo amoron'ny rano fialan-tsasatra Izy.
Mamelombelona ny fanahiko Izy; mitarika ahy amin'ny lalan'ny fahamarinana noho ny anarany Izy.
Eny, na dia mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, dia tsy hatahotra ny loza aho, fa Hianao no amiko; ny tsorakazonao sy ny tehinao, ireo no mahafa-tahotra ahy.
Mamelatra latabatra eo anoloako eo imason'ny fahavaloko Hianao; manosotra diloilo ny lohako Hianao; ny kapoakako feno dia feno.
Eny tokoa, fahasoavana sy famindram-po no hanaraka ahy amin'ny andro rehetra hiainako, dia hitoetra ao an-tranon'i Jehovah andro lava aho.