Psalms 21

Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Jehovah ô, ny herinao no hifalian'ny mpanjaka; ary endrey ny haben'ny hiravoravoany amin'ny famonjenao!
Ny nirin'ny fony dia nomenao azy, ary ny nangatahin'ny molony tsy mba nolavinao.
Fa notsenainao fitahiana soa izy; teo an-dohany nasianao satro-boninahitra tena volamena.
Aina no nangatahiny taminao, dia nomenao azy izany, dia andro lava mandrakizay doria.
Lehibe ny voninahiny amin'ny famonjenao; Laza sy voninahitra no nataonao taminy.
Fa nataonao ho fitahiana mandrakizay izy; ampifalinao indrindra amin'ny tavanao izy.
Fa ny mpanjaka matoky an'i Jehovah, ary noho ny famindram-pon'ny Avo Indrindra dia tsy hangozohozo izy.
Ho azon'ny tananao ny fahavalonao rehetra; eny, ho azon'ny tananao ankavanana ny mankahala anao;
Hataonao tahaka ny fatana misy afo mirehitra izy amin'ny andro hisehoanao, Jehovah handany azy amin'ny fahatezerany, ary handevona azy ny afo.
Ny zanany haringanao tsy ho eo amin'ny tany, ary ny taranany tsy ho eo amin'ny zanak'olombelona;
Fa nikasa hanisy ratsy anao izy, ka namoron-kevi-dratsy fa tsy nahefa.
Fa hampiamboho azy ianao; ny tsipìkanao no ikendrenao ny tavany.
Misandrata amin'ny herinao, Jehovah ô, hihira sy hankalaza ny herinao izahay.