Psalms 145

Fideran'i Davida. Hanandratra Anao aho, ry Andriamanitro Mpanjaka ô, Sy hankalaza ny anaranao mandrakizay doria.
Hankalaza Anao isan'andro aho sy hidera ny anaranao mandrakizay doria.
Lehibe Jehovah ka tokony hoderaina indrindra; Ary tsy takatry ny saina ny fahalehibiazany .
Ny taranaka rehetra samy hidera ny asanao amin'izay mandimby azy Sy hanambara ny asanao lehibe.
Ny lazan'ny voninahitry ny fiandriananao Sy ny asanao mahagaga no hosaintsainiko.
Ny herin'ny asanao mahatahotra no hotenenin'ny olona; Ary ny fahalehibiazanao no holazaiko.
Hanonona ny fahatsiarovana ny haben'ny fahatsaranao izy Sy hihoby ny fahamarinanao.
Mamindra fo sy miantra Jehovah; Mahari-po sady be famindram-po Izy.
Manisy soa izao tontolo izao Jehovah; Ary ny fiantràny dia eny amin'ny asany rehetra.
Jehovah ô, midera Anao ny asanao rehetra; Ary ny olonao masina misaotra Anao.
Milaza ny voninahitry ny fanjakanao izy Sady miresaka ny herinao,
Mba hampahafantarina ny zanak'olombelona ny herinao Sy ny haben'ny voninahitry ny fanjakanao.
Fanjakana mandrakizay ny fanjakanao, Ary hitatra amin'ny taranaka fara mandimby ny fanapahanao.
Jehovah manohana izay rehetra efa ho lavo Sy mampitraka izay rehetra mitanondrika.
Ny mason'izao rehetra izao miandrandra Anao, Ary Hianao manome azy ny haniny amin'ny fotoany.
Manokatra ny tananao Hianao Ka mahavoky soa ny zava-miaina rehetra.
Marina Jehovah amin'ny lalany rehetra, Sady mamindra fo amin'ny asany rehetra.
Jehovah dia eo akaikin'izay rehetra miantso Azy, Dia izay rehetra miantso Azy marina tokoa.
Hanefa ny irin'izay matahotra Azy Izy Ary hihaino ny fitarainany ka hamonjy azy.
Miaro izay rehetra tia Azy Jehovah; Fa ny ratsy fanahy rehetra kosa haringany.
Ny fiderana an'i Jehovah no hotenenin'ny vavako; Ary aoka ny nofo rehetra hankalaza ny anarany masina mandrakizay doria.