Psalms 130

Fihirana fiakarana. Tao amin'ny lalina no niantsoako Anao, Jehovah ô,
Tompo ô, henoy ny feoko; Aoka ny sofinao hihaino tsara ny feon'ny fifonako.
Raha mandinika heloka Hianao, Jehovah ô, Iza no hahajanona, Tompo ô?
Fa eo aminao no misy ny famelan-keloka, Mba hatahorana Anao.
Niandry an'i Jehovah aho; eny, niandry Azy ny fanahiko, Ary ny teniny no nanantenako.
Ny fanahiko miandry ny Tompo Mihoatra noho ny fiandrin'ny mpiambina ny maraina, Dia ny fiandrin'ny mpiambina ny maraina.
Manantenà an'i Jehovah, ry Isiraely; Fa eo amin'i Jehovah no misy famindram-po sy fanavotana be;
Ary Izy no hanavotra ny Isiraely Ho afaka amin'ny helony rehetra.