Psalms 129

Fihirana fiakarana. Mafy no nampahoriany ahy hatry ny fony aho mbola tanora, Eny, aoka hataon'ny Isiraely hoe:
Mafy no nampahoriany ahy hatry ny fony aho mbola tanora; Nefa tsy naharesy ahy izy.
Ny mpiasa dia niasa ny lamosiko; Efa nanalava ny vavasany izy.
Marina Jehovah: Efa nanapaka ny famatorana nataon'ny ratsy fanahy Izy.
Aoka ho menatra sy hiamboho Izay rehetra mandrafy an'i Ziona
Ka ho tahaka ny ahitra eo an-tampon-trano. Izay malazo, na dia tsy misy manongotra azy aza;
Tsy misy mpijinja mameno tanana Na mpamehy amboara mameno tratra amin'izany;
Ka dia tsy hisy mpandalo hanao hoe: Hotahin'i Jehovah anie ianareo; Eny, ny anaran'i Jehovah no itsofanay rano anareo.