Psalms 115

Jehovah ô, aza izahay, aza izahay no omena voninahitra, Fa ny anaranao ihany, Noho ny famindram-ponao sy ny fahamarinanao.
Nahoana ny jentilisa no manao hoe: Aiza izay Andriamaniny?
Nefa any an-danitra Andriamanitsika; Efa nanao izay sitrapony rehetra Izy.
Volafotsy sy volamena ny sampin'ireny, Asan'ny tanan'olona:
Manam-bava izy. fa tsy miteny; Mana-maso izy, fa tsy mahita;
Manan-tsofina izy, fa tsy mandre; Manana orona izy, fa tsy manimbolo:
Manan-tanana izy, fa tsy mandray; Manan-tongotra izy, fa tsy mandeha; Ary tsy mahaloa-peo ny tendany.
Ho tahaka azy izay manao azy Sy izay rehetra matoky azy.
Ry Isiraely ô, matokia an'i Jehovah; Heriny sy ampingany Izy.
Ry taranak'i Arona ô, matokia an'i Jehovah; Heriny sy ampingany Izy.
Hianareo izay matahotra an'i Jehovah, matokia an'i Jehovah; Heriny sy ampingany Izy.
Jehovah mahatsiaro ka mitahy antsika; Hitahy ny taranak'i Isiraely Izy; Hitahy ny taranak'i Arona Izy;
Hotahiny izay matahotra an'i Jehovah, Na ny kely na ny lehibe.
Jehovah anie hampitombo anareo, Dia ianareo mbamin'ny zanakareo.
Hitahy anareo anie Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany.
Ny lanitra dia an'i Jehovah: fa ny tany nomeny ho an'ny zanak'olombelona.
Ny maty tsy mba hidera an'i Jehovah. Na izay midina any amin'ny mangingina;
Fa izahay hisaotra an'i Jehovah Hatramin'izao ka ho mandrakizay. Haleloia.